Zaza malagasy – Tara fitomboana ny 50% !
Nivoaka indray ny tarehimarika hafa manambara ny fahantrana lalina mahazo ny Malagasy ka amin’ity indray mitoraka ity dia ireo zaza no nanaovana fanamarihana. Araka ny fanadihadiana natao izany dia mahatratra roa tapitrisa be izao, izany hoe ny antsasaky ny ankizy rehetra manerana ny nosy, no tsy manaraka amin’ny tokony ho izy ny fitomboany. Mazava ho azy fa ny tsy fahampiana ara-tsakafo no antony voalohany mahatonga izany ary dia marina loatra io satria na an-tanan-dehibe, na an-drenivohitra na ihany koa any ambanivohitra rehetra any dia sakafo ambany foitra lava no mba omena ireo zaza.
Ny tena marimarina kokoa aza dia sakafo tsy zarizary lava satria dia zara raha mahita vary fa mangahazo foana matetika no mba ataon’izy ireny tohan’aina, ary dia kazaha fotsiny amin’izao fa tsy mba misy na dia siramamy kely indray mitete aza ampiarahana aminy. Ankoatr’izay dia zara ihany koa raha mahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy ny zanaka malagasy rehefa tratry ny aretina, hany ka taizan-tazo sy saozanina mandavan-taona.
Raha ity lafin’ny sosialy ity aloha no resahina dia tena mandray ny kihony mihitsy ny vahoaka nandritra ity fitondran-dRajaonarimampianina ity ary ilay minisitry ny Fahasalamana aza dia zary mandehandeha any am-pitan-dranomasina any fotsiny no tena lahasany fa raha izay fahasalamam-bahoaka aloha dia migoka ny mangidy ny valala be mandry.
Lesabotsy jiaby!
Ny maro aza moa manadrohadro mihitsy fa tamin’ny andron’ilay dadabe avy any andafy iny – sady praiminisitra izy amin’io – aza mbola azo vidiana ny paracétamol tany amin’ireo hopitaly sy tobim-pahasalamana maro!
Maro ny vokatr’izany fahataran’ny fitomboana ara-batana eo amin’ny ankizy malagasy izany ary dia voavaly sahady ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny habadoana sy ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ary ihany koa ny fialan’ny mpianatra ny sekoly. Amin’ireo zaza roa tapitrisa voalaza ireo dia inoana marimarina fa ny zato isan-jatony dia ho “Lesabotsy” avokoa! Ny hany vahaolana dia ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena tsirairay izay mba niangaran’ny vintana hanampy ny mpiara-belona aminy satria raha ny fanjakana misy ankehitriny no andrasana dia ho lafo daholo ihany ny tanindrazana iray manontolo. Izao aza moa dia ny karaman’ny mpiasa madinika indray no handeha hivelomany ka nangalany 2 000 ariary! Loza izany, efa tena tsy mahalala menatra intsony.
Jean Luc RAHAGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







