Vous êtes ici :

Mercredi 08 Mai 2024

ombre

Lalaon’ny Nosy atsy La réunion – Nitso-drano ireo atleta ny minisitry ny filaminam-bahoaka

Ny marainan’ny omaly no noraisin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspektera jeneralin’ny polisy Randimbisoa Blaise Richard ny ekipa nasionaly Tenisy ambony latabatra izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy atao atsy La Réunion ny 01 ka hatramin’ny 09 Aogositra 2015 ho avy izao. Folo mianadahy ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa miaraka amin’ny mpanazatra roa hanainga amin’izany toerana izany hiaro ny voninahitr’i Madagasikara.

Amin’ny maha-mpiahy ny taranja tenisy ambony latabatra an’Andriamatoa Minisitra dia nitso-drano azy ireo ny tenany mba hotojo fahombiazana amin’ny lalao izay atao any. Nisy ihany koa ny vatsin-dàlana ho azy ireo. Nandray ny tso-drano ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur jeneralin’ny polisy Rajaobelina Joachim ny talata 28 jolay teo ihany koa ireo atletisma sokajy « senior » avy amin’ny Cospn.

Efatra mianadahy izy ireo no handeha hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Nitso-drano mba haleo hahalasana ary hahavita be amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo mba hiaro ny voninahitry ny polisim-pirenena fa indrindra indrindra ny voninahitry ny firenentsika. Nisy ihany koa ny vatsin-

dàlana natolotra azy efatra mianadahy ho fanohanana azy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre