Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Ady amin’ny kapila hosoka – Tovolahy iray saron’ny mpitandro filaminana

Mitohy ny ady amin’ny famongorana ny fiparitahan’ny kapila mangirana hosoka. Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po dia saron’ny borigady misahana ny ady amin’ny  hosoka ny tovolahy iray mivelona amin’ny fanaovana ny Cd hosoka.

Tamin’ny fidinana nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny trano fonenany dia sarona tao ireo fitaovana fampiasain’ity tovolahy ity amin’ny fikirakirana ireo kapila mangirana ireo, toy ny solosaina, ny rano mainty, « Imprimante » ary kapila mangirana mbola tsy niasa aman-jatony.

Nosamborina avy hatrany izy ary nentina natao famotorana teny amin’ny biraon’ny borigady misahana ny ady amin’ny hosoka. Tamin’ny famotorana natao taminy dia efa herintaona mahery no nanaovany an’io asa io izay amelomany ny vadin-aman-janany. Tamin’ny filazany dia ireo mpivarotra ireo kapila hosoka ireo no mamatsy Cd azy fa izy kosa manatanteraka izany. Nandritra ny fanadihadiana hatrany no nahalalan’ny mpitandro filaminana ireo namany izay mpikirakira ity hosoka ity ihany koa. Efa mandeha ny fikarohana ireo anaran’olona ireo ary nogiazan’ny mpitandro filaminana kosa ireo fitaovana ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre