Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Fanafihana mitam-piadiana – Rangahy iray naratra mafy

Mahazo vahana ny tsy fahadriampahalemana ao Mahajanga. Toeram-pivarotana iray indray no lasibatry ny andian-jiolahy ny talata tamin’ny 7ora hariva, tao amin’ny fokontany Amborovy. Nirefodrefotra ny poa-basy tamin’ny fahatongavan’ireo olon-dratsy tao amin’ilay toerana notafihana mba hanakanana ireo manodidina tsy hiditra an-tsehatra.

Vao nigadona tao amin’ ilay fivarotana ireo jiolahy avy hatrany  dia nanambana basy ilay rangahy tompon-trano sady nandrahona ny hamoaka ireo vola rehetra.

Tsy nety nanome anefa ilay rangahy sady nanohitra mafy azy ireo ka tonga dia notifirin’ireto olon-dratsy. Voa teo amin’ny sandriny ary naratra mafy ilay rangahy mpivarotra ary lasa ny vola iray boritra izay tsy fantatra ny isany.

Nandositra toy ny tsy teo ireo jiolahy rehefa nahazo izay tadiaviny. Ilay lasibatra kosa nentina nifamonjena teny amin’ny hopitaly Androva ary tsy misy ahiana ny ainy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre