Lozam-pifamoivoizana – Olona roa maty tsy tra-drano
Olona roa indray no namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina izay niseho tao amin’ny lalana hiditra ny distrikan’i Sambava ny talata maraina 28 jolay.
Môtô iray avy any Sambava nihoatra kamiao teo alohany no nahatonga ny loza. Ity farany izay nandeha mafy tokoa ka saika nifandona tamin’ny fiara mitondra mpandeha avy any Antalaha. Samy natahotra ny hifandona dia samy niala ny lalana ary nifatratra tany anaty ala manakaiky ny arabe. Nipitika avy eny ambonin’ny môtô ilay mpamily dia vaky ny lohany ary nipotsaka ny atidohany ka maty avy hatrany.
Ilay mpamily fiara kosa maty teo no ho eo noho ny dona mafy tamin’ny vodi-hazo. Tsy tafavoaka tao anatin’ilay fiara mihitsy ilay mpamily araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao raha tsy nosokirina tao.
Naratra mafy avokoa ireo mpandeha tao amin’ilay fiara ary efa nentina eny amin’ny hopitaly Besopaka ao Sambava mba hanaraka fitsaboana. Ireo razana kosa efa natolotra ny fianakaviana rehefa avy nojeren’ny mpitandro filaminana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







