Anjozorobe – Kamiao nivarina an-kady, ramatoa iray maty
Namoy ny ainy avy hatrany ny vadin’ny mpamilin’ilay kamiao raha nivarina tany an-kady ity fiara ity. Tamin’iny lalana mihazo ny distrikan’Anjozorobe iny no nisehoan’izany tamin’ny sabotsy atoandro tao Ambohimandroso, kaominina Marovazaha. Olana ara-teknika no fantatra fa nahazo io fiara vaventy io rehefa niaka-piakarana. Nitondra vary hiakatra ho aty an-drenivohitra io kamio io raha tra-doza. Araka ny fantatra dia nitambotsotra tampoka ilay fiara rehefa tafakatra teny an-tenatenan’ny fiakarana. Taitra tamin’izany ny mpamily, ka tsy voatazona intsony ny tsindry hisatra ka avy hatrany dia nikorisa ilay fiara ary tsy tafajanona raha tsy tany anaty hady. Ankoatra ilay ramatoa maty dia potika tsy nisy noraisina ihany koa ilay kamiao. Nentina nakany amin’ny trano patin’ny hopitaly ilay namoy ny ainy taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







