Madagascar Matin » Chronique

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho mpanao gazety avokoa ny vahoaka manontolo ary mampiasa ny fitaovan-tserasera maimaimpoana mba handefasana vaovao. Tsy voafehy anefa izany ka lasa ny tsaho sy ny honohono no betsaka. Misy sokajin’olona tena mahavita mamoron-dainga mihitsy na tranga tany ivelany no avadika sy lazaina fa teto Madagasikara. Ny tena mahagaga dia maro ireo olona andairan’ireny tsaho sy atsanga tsy aman’orana rehetra ireny. Anisan’izany, ohatra, ny filazana fa misy akora mahafaty ny karazan-tsakafo sasany amidy eny amin’ny mpivarotra. Misy koa milaza fa mankarary ny savony sns. Tsy azon’ireo “mpitatasika” sy mpanely tsaho anefa fa misy fiantraikany ratsy dia ratsy amin’ny fiainam-bahoaka ireny fanelezana tsaho ireny. Efa maro ireo karazan’olona nitondra faisana noho ny lainga sy vaovao tsy marina avoakan’ireo te ho mpanao gazety. Anisan’ny loza tsy roa aman-tany aterak’ireo misalovana ny asan’ny mpampahalala vaovao ity resaka fitsaram-bahoaka ity. Misy zava-mitranga any ambadika any tonga dia alefa amin’ny tambajotran-tserasera sady hitarina mba hanairana ny mpamaky. Aorian’izay dia misarongatra ireo entanin’ny fihetseham-po ka mifanentana samy manonona izay sazy faran’izay henjana tokony hatao amin’ilay soketaina ho nahavanon-doza. Misy mihitsy ny mamporisika sy manentana ny rehetra mba hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka.

Tsy mahagaga noho izany raha maro ireo olon-tsotra no te hanao ny asan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Tsy mionona amin’ny fampilazàna ny polisy sy zandary mantsy izao ny ankamaroan’ny vahoaka fa avy hatrany dia misambotra izay heveriny ho olon-dratsy ka resiny. Tsy manatrika izany eny amin’ny mpitandro filaminana ihany koa fa avy hatrany dia misalovana ny andraikitry ny fitsarana. Misy sokajin’olona lian-dra avy hatrany dia manapa-kevitra fa hovonoina ho faty tsy mandalo fitsarana akory ireo heverina ho meloka na misy porofo na tsy misy. Zava-doza io tranga iray io satria efa maro ihany ireo tsy manan-tsiny matimaty fahatany noho ny fitsaram-bahoaka. Hatramin’ny mpitandro filaminana polisy sy zandary izay manao ny asany aza dia efa nisy ireo namoy ny ainy novonoin’ny fokonolona. Ny tena mahagaga dia misy tompon’andraikitra sy olon-dehibe eny an-tanàna tena mankasitraka sy mamporisika ny fitsaram-bahoaka izay efa iaraha-mahalala fa heloka bevava.

Na ny fitantanana ny raharaham-pirenena aza dia efa marobe ireo hita fa te hisalovana ny andraikitry ny hafa. Io antony io no mahatonga ny ankamaroan’ny mpanao politika mitaky ny fanovàna governemanta. An-jatony maro ireo mpanao politika no te haka ny toeran’ny minisitra amin’izao fotoana izao ary manao ny fomba rehetra hanerena ankolaka ny filoha mba handrava ny governemanta. Izay ihany mantsy no fomba mahomby indrindra hahafahan’ireo tia seza maka toerana eo anivon’ny fitondram-panjakana. Ny antoko mpanohitra izay tsy te hiditra ao amin’ny fitondrana kosa dia manao ny fomba rehetra handabohana ny Fanjakana mijoro amin’izao fotoana izao. Fitsiriritana seza sy fitadiavan-toerana avokoa. Ny fandrodanana ny fitondrana anefa no fomba hahafahana misalovana ny andraikitr’ireo manam-pahefana ankehitriny.

Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha samy te hitsabaka amin’ny asa aman-draharahan’ny hafa ny tsirairay. Ny eo am-bilia tsy lany nefa ny any am-bilany takarina. Io no tena hahafahana manintona ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Mifanenjika ny hanao ny asan’ny hafa ny rehetra nefa vao mainka izany manimba zavatra. Mila miverina amin’ny fanajana ny andraikitra tandrify azy ny Malagasy fa raha mitohy ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia hihemotra lava eto ity firenena ity.

Ravalo tsy Manana

Kobaka am-bava
Mahery fo sy tena mazoto ireo mpanao politika mandray anjara amin’ny atrikasa mahakasika ny fadriam-pahalemana sy ny demokrasia tao amin’ny hotely Carlton. Ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) no nikarakara io hetsika io. Samy milaza avokoa ireo mpandray anjara fa resy lahatra amin’ny maha-zava-dehibe ny filaminana sy ny demokrasia mba ho antoka hampandrosoana ny firenena. Raha olona tsy mahalala ny tantaram-pirenen’i Madagasikara dia mety ho velom-panantenana ary hihevitra fa manana mpanao politika hendry ity firenena ity. Tsy izany anefa no zava-misy fa toa lasa resaka ambony latabatra fotsiny ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika malagasy. Saika mitovy fomba fiasa sy fomba fijery avokoa mantsy izy rehetra tsy an-kanavaka. Izay tonga eo amin’ny fitondrana dia manao ny fomba rehetra entina hanapenam-bava ny hafa ary ihany koa hanodinkodinana ny fomba fikarakarana fifidianana mba tsy hahafahan’ny antoko hafa hahazo fahefana. Ireo mpanohitra kosa dia maro no tsy mahandry ny fotoam-pifidianana manaraka ka manao ny fomba rehetra hanonganana ny mpitondra. Ireo krizy rehetra nandalo teto amin’ny firenena dia nitodika tany amin’ny fanonganam-panjakana avokoa. Mody nosalorana hetsi-bahoaka fa rehefa tena nodinihina dia fanonganam-panjakana tsotra izao no nitranga. Mizara telo ny fisehony dia ny fitakiam-bahoaka an-dalambe sy ny fanimban-javatra, avy eo miditra an-tsehatra manampy ny mpitolona ny miaramila, ary farany dia mandositra ny mpitondra rehefa resy. Nitranga teto avokoa izany rehetra izany tamin’ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009. Sady tsy demokrasia izany no tsy fandriam-pahalemana. Ireo mpanao politika mandray anjara amin’ilay atrikasa sady miseho ho olon-kendry anefa dia saika efa nandray anjara tamin’ireo hetsika ireo avokoa.

Mora ny mitsikera ny mpanongam-panjakana nefa misy antony ny mahatonga izany rehetra izany dia ny tsy fanajana ny demokrasia sy ny fahalalahana haneho hevitra. Eken’ny rehetra fa ny fifidianana irery ihany no fomba demokratika hahafahana maka fitondrana saingy kosa rehefa lalaovin’ny mpitondra Fanjakana io fifidianana io dia tsy azo antoka intsony. Izany hoe rehefa mahita ny mpanohitra fa tsy mahomby amin’ny fifandimbiasam-pahefana intsony ny fifidianana dia voatery izy ireo miditra amin’ny hetsika natao handrodanana izay mpitondra eo aloha. Tsy azo hadinoina fa ireo mpitondra Fanjakana niongana teto dia nandresy tamin’ny isam-bato mazava avokoa tamin’ny fotoana nahatongavany teo amin’ny fahefana. Tsiranana dia nahita isam-bato ambony dia ambony tamin’ny niongana, Ratsiraka ihany koa dia nandresy mazava tamin’ny fifidianana talohan’ny grevy 1991 ireny ary Ravalomanana dia vao avy nandresy ny “1er tour” dia vita talohan’ny nionganany tamin’ny 2009.

Raha ny lojika no jerena dia tsy tokony hiongana izany ny olona vao avy nandresy tamin’ny isa mazava nandritra ny fifidianana demokratika. Zavatra roa izany no mety ho antony. Voalohany dia tena tsy nahay nitantana ilay filoha ka tofoka ny vahoaka. Faharoa kosa dia tsy nitombina ny voka-pifidianana izay nandreseny. Izany hoe tsy azo ambara ho tena demokratika ilay fifidianana nokarakarainy ka tsy neken’ny maro.

Anisan’ny antony iray mampipoaka ny hatezeram-bahoaka ihany koa ny fanagejana ny fahalalahana hiteny. Ireo filoha niongana tamin’ny fotoan’androny dia samy nanao izay fomba rehetra hatramin’ny fampiasan-kery mba tsy hamelana ny vahoaka sy ny mpanao politika avy amin’ny mpanohitra hiteny. Toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy raha atao ny fampitahana. Lazaina fa misy demokrasia sy fahalalahana eto Madagasikara nefa tsy azo anaovana hetsika politika ankalamanjana. Tsy mety manome alalana na iza na iza avy amin’ny antoko mpanohitra mba hamory sy hitafa mivantana amin’ny vahoaka ny manam-pahefana amin’izao fotoana izao. Efa niarahan’ny rehetra nahita tsara fa mpitandro filaminana an-jatony no avoaka handrava ny hetsika sy hanao ny fisamborana ary hanagadra izay miseho ho mafiloha tsy azo raràna. Resa-be fotsiny izany demokrasia izany eto Madagasikara.

Ravalo tsy Manana

Vonona hifaninana
Mbola tsy fantatra mazava akory na ny taona 2018 na ny 2019 no hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka dia efa misahotaka sahady ny tontolo politika eto Madagasikara. Samy somebiseby sy mihetsiketsika avokoa ny vondron-kery sy ny firehana rehetra. Ny antokom-panjakana no tena voakasik’izany akaiky. Ny olana anefa dia lasa misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena izany. Hita misongadina amin’ny fomba fiasa sy ny fihetsik’ireo minisitra sy mpiasam-panjakana ambony hafa fa misy olana eo anivon’ny antoko Hvm. Samy manana ny heviny entina hanatsarana ny fomba fitantanana ny firenena sy ny fikarakarana sahady ny fiatrehana ny fifidianana manaraka mantsy ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko. Misy ireo mihevitra fa ny fanovàna mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny fanilihana ny Praiminisitra ankehitriny no vahaolana hanatsarana ny endriky ny antoko eo anatrehan’ny hevi-bahoaka. Ny hafa indray dia hita sahady fa manantena ny handimby ny filoha raha toa ka maka fanapahan-kevitra ny tsy hilatsaka intsony ity farany amin’ny fifidianana manaraka. Heverina anefa fa tsy hanaiky izany ireo hafa te ho lehibe ka dia lasa hifandrirotra an-toerana izy samy izy. Efa tafiditra ao anatin’ny fiomanana ny fiatrehana ny fifidianana ihany koa ny fampisehoan-kery politika sy fahefana manomboka miseho lany amin’izao fotoana izao. Heverina ho tsy kisendrasendra ireny didim-pitsarana nisesisesy izay toa karazan’ny fandemen-tsaina ho an’ny antoko mpifaninana amin’ny mpitondra ihany. Ny sazy famonjana ny loholona avy amin’ny Mapar dia efa nosokajian’ny mpahay politika ho ramatahora ihany. Azon’ny Fanjakana natao mihitsy ny naka fanapahan-kevitra hanafoanana ny fanenjehana io loholona avy amin’ny Mapar io nefa toa vao mainka nohamafisina tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana. Toa te hampiseho ny mpitondra fanjakana fa tsy matahotra kapo-tandroka ary tsy azo hivazivaziana satria manana ny hery sy fahefana entina hanafaizana sy hanasaziana izay rehetra mikendry ny hifaninana aminy. Mbola tafiditra amin’ny vono vorona ihany koa ny ady ifanaovan’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Resy foana ny kaominina rehefa miakatra fitsarana ary mihitatra isan’andro ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Hita misongadina fa tena misy ambadika politika ny fifanenjenana matetika eo amin’ny minisitra vitsivitsy sy ny mpitantana an’Antananarivo renivohitra. Ady tany izay azo ifandaminana tsara no lasa mihitatra be hatrany amin’ny fifanalam-baraka sy hifampihantsiana ary fitoriana eny amin’ny fitsarana. Efa nampiseho ny heviny amin’ny fahavononana haka fitondrana sy hirotsaka amin’ny fifidianana manaraka mantsy ny lehiben’ny antoko Tim izay mitazona ny familiana ny fitantanana an’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Anisan’ny mpifaninana azo heverina fa hanelingelina ny fijanonan’ny Hvm eo amin’ny fitondrana ny Tim ka mety ho izany no isian’ny fifandirana matetika eo amin’ny roa tonta. Ny antokon’ny Ben’ny tanàna rahateo iaraha-mahita fa mampihatra ilay toetra mody tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Vao misy hirika kely hahafahany mandetika ny fitondrana dia efa avy izy amin’ny angady sy ny harona. Raha ny fihetsiketsehana rehetra misy amin’izao fotoana izao dia eritreretina fa hifampitady tokoa ireo antoko matanjaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Tsy hisy hanaiky ho gisitra eo ary inoana fa efa samy mivonona sahady amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana mba tsy hisian’ny fanaparam-pahefana sy ny hala-bato izay efa nampalaza ratsy ny mpitondra rehetra nifandimby teto hatramin’izay. Ny mpanao politika malagasy rahateo toy ny afrikanina ihany ka manao ilay toetra tsy mahazaka resy ary mitabataba sy mikorontana rehefa tsy mahazo ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Dieny izao dia efa tokony mivonona amin’ny fanekena izay vokatra eo izay handray anjara sao hiafara amin’ny krizy vaovao indray io amin’ny 2018 io.

Ravalo tsy Manana

Miova hevitra tsikelikely
Efa manomboka manamarina an-kolaka ny tsy maintsy hisian’ny fanovàna Governemanta ny filoham-pirenena. Nambarany mazava tamin’iny herinandro iny fa azo atao ny fanovàna rehefa tonga ny fotoana mampety azy. Efa hatramin’ny volana desambra niandohan’ilay resaka hoe horavàna ny governemanta Mahafaly ka hosoloina hafa no tsy nandà mivantana izany ny filoham-pirenena. Nolazainy matetika fotsiny hoe misy olona « mahita volana alohan’ny abiby ».  Izany hoe tsy nandiso ny resaka miely izy no tsy nanamarina. Ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe rahoviana io fanovàna io. Raha tsy hisy mantsy dia efa niteny ny filoha fa hotazomina mandra-pahatongan’ny fifidianana amin’ny taona 2018 ny Governemanta ankehitriny. Ny tsy filazàny izany mba hisian’ny mangarahara anefa dia mampieritreritra ny vahoaka mahakasika ny hoavin’ny fomba fitantanana ny firenena. Io ekipan’ny minisitra ankehitriny io mantsy no nahazo ilay famatsiam-bola sy fampiasam-bola mitentina 10 miliara dolara mahery nampanantenain’ny kaonferansa tany Paris ny volana desambra 2016 lasa iny. Izany hoe ny tetikasa sy volavolam-pampandrosoana naroson’ny minisitera sy ny tsirairay no nahazo fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Raha ny tokony ho izy izany dia ireo minisitra ankehitriny ireo ihany no tokony hanatanteraka izay tetikasa rehetra nahazoana famatsiam-bola. Toa tsy mifanandrify amin’izany anefa ny zava-misy satria hita sy tsapa ny fisian’ny fizarazarana sy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny Governemanta, ary ihany koa ireo manam-pahefana hafa manohana izao fitondrana mijoro izao. Efa notebahin’ny filoham-pirenena mazava rahateo nandritra ny kabary nataony tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha fa misy « mpamosavy malemy » ao anaty fitondrana ao. Na tsy notondroiny mazava aza ireo mpamadika tafiditra ao anaty ekipany dia inoana fa tsy maintsy ho minisitra na fara-faharatsiny mpanolo-tsaina sy mpiasam-panjakana ambony izay olom-boatendry avokoa.

Hita ihany koa hatramin’ny fiandohan’ny taona fa ampahany vitsy amin’ireo minisitra ihany no tena mihetsiketseka sy miezaka ny hanao izay hanatsarana endrika ny fitondrana eo anatrehan’ny vahoaka. Matetika dia mizara telo ny mpitondra Fanjakana rehefa manao hetsika ka ny ekipa voalohany dia tarihin’ny filoham-pirenena, ny faharoa miaraka amin’ny praiminisitra ary ny fahatelo dia miara-dia amin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Ireo ekipa telo ireo ihany no tena hita fa miezaka mafy mampiseho fa miasa sy mahita vokatra ho an’ny vahoaka ny mpitondra Fanjakana ankehitriny. Ny hafa kosa dia tsy hita mihitsy izay tena hataony fa toa mangingina na mipoitra ihany fa resa-be no betsaka.

Tonga amin’ny kihon-dalana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ny filoham-pirenena noho izany rehetra izany. Roa ny safidiny dia ireto : voalohany mitazona ny Governemanta ankehitriny nefa kosa tsy maintsy manao izay handaminana sy hampirindrana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ireo minisitra rehetra. Ny faharoa kosa dia ny fanovàna ny Governemanta amin’ny alalan’ny fanesorana sy fanoloana ireo minisitra hita fa tena tsy mahomby mihitsy.

Sarotra ihany ny toe-draharaha satria mariky ny fanekena ny tsy fahombiazana ny fanovàna Governemanta isan-taona. Mampiseho ihany koa fa tsy marin-toerana ny asa fampandrosoana sy ny fomba fitantanana ny firenena. Ankoatra izany dia tsy misy antoka mazava fa ho afaka ny hahomby noho ny amin’izao izany izay olona ho voatendry manaraka eo. Ny mpitady toerana rahateo efa miandry kendry tohana fotsiny ary maro ireo mpanao politika no manao izay fomba rehetra hahazoana seza ka mody manasohaso ny fitondram-panjakana nefa rehefa tena tafiditra ao dia toa lasa mamingana avy ao anatiny indray. Tena ho sarotra izany fanovana governemanta izany satria raha hanakaton-trano hiaraka amin’ny Hvm dia vao mainka hampitombo ny isan’ny mpanohitra sy ireo mihataka ny handrodanana ny fanjakana mijoro. Raha hisokatra amin’ny firenena hafa anefa dia sarotra ny hifehy izay olona hotendrena avy amin’ny antoko politika hafa.

Ravalo tsy Manana

Be tetika fa kely lalana
Iza avy no efa nandeha tamin’ilay fiarabe vaovao mahazaka olona 49 ? Raha ny tokony ho izy mantsy dia efa niasa nanomboka tamin’ny fotoana nampisehoana azy ireny fitaovam-pitaterana ireny. Toy izany avokoa ny fomba fanao any amin’ny firenen-kafa rehetra. Tany Afrika izao nisy firenena iray nitokana ny fampiasana ny fiarandalamby haingam-pandeha (Tgv) dia nitaingina avokoa ny manam-pahefana rehetra ary taorian’izay tonga dia niasa ho an’ny sarambabem-bahoaka ilay fitaterana. Tsy toy izany kosa ny eto Madagasikara fa toa nalaina sary sy nojerijerena fotsiny ireo “bus be” izay lazain’ny mpitondra fanjakana fa hamahana ny olan’ny fitaterana eto an-drenivohitra. Toy ilay lalana eny Tsarasaotra mankany Ivato ihany : notokanana fotsiny dia avy eo tsy azo ampiasaina akory.

Tsara tokoa ireo fiarbe fitateram-bahoaka ary tena raikitra sy manaraka ny fenitra takian’ny vanim-potoana ankehitriny saingy toy ny tsy misy ihany izy ireny raha mbola tsy afaka hitaingenan’ny vahoaka. Rehefa nampahafantarina dia tokony ho azo ampiasaina avy hatrany fa tsy mbola hiandry fivoriana sy fifampidinihana ary fakan-kevitra etsy sy eroa izany. Bus mbola tsy hiasa akory no ireharehana sy dokadokafana. Tsy fomba fiasa toy izany no ilain’ny vahoaka fa vokatra mivaingana sy misy fiantraikany amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina. Rehefa manolotra dia tena manolotra fa tsy mampilendalenda na manome tsy foy foy. Tetikasa efa masaka no ilain’ny Malagasy fa tsy fiara fitaterana mbola itadiavana mpividy.  Tamin’ny andron’ny fitondran’ny Filoha Didier Ratsiraka dia efa nitobaka sy niasa teto an-drenivohitra ny Antafita vao gaga ny ankamaroan’ny olona hoe nisy kaoperativa vaovao nanampy ny Fibata sy ny Fima. Tsy nisy an’izay hoe naseho aloha ireo fiara dia mbola hiaraha-midinika ny fomba hampiasana azy toy ny amin’izao fotoana izao. Toa lasa ankandasotra fotsiny sisa ny asa fampandrosoana sy ny fampanantenana fa tsy miroso amin’ny tena fampiharana azy.

Ankoatra izany dia efa maro sahady ny manahy ny fikorontanan’ny fifamoivoizana aterak’ireo fiarabe ireo raha tahiny ka tena hiasa eto an-drenivohitra tokoa izy ireo any aoriana any. Iaraha-mahafantatra mantsy fa tery dia tery ary efa tsy maharaka ny isan’ny fitaovam-pitaterana mifamezivezy intsony ny lalana eto Antananarivo. Ny afitsoky ny taxibe sy ny taxi, ny skotera ary ny posy sy sarety aza efa tsy hita izay hanaovana azy. Angamba dia asa fotsiny ny fitohanana eto raha toa ka misy am-polony maro amin’ireo bus be vaovao ireo hiasa eto. Raha ny fanazavan’ny teknisianina amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana dia tsy mahazaka handray karazam-pitaterana hafa intsony ny lalana eto Antananarivo. Izany antony izany no antony hamerana ny fivezivezen’ireo kamiao sy posy ary sarety mba tsy hanelingelina be loatra ny fifamoivoizana amin’ny fotoana mahabetsaka ny fiara. Io antony io ihany koa no nametrahana lalàna mifehy ny fiantsonana sy ny fijanonan’ny taxi sy ny taxibe. Ankoatra izany dia efa nisy mpandraharaha nangataka ny hampiditra ireo fiara kodiaran-telo Bajaj hanao fitaterana eto an-drenivohitra fa tsy mbola nahazo fankatoavana noho ny fahasarotan’ny fandrindrana ny fifamoivoizana.

Izao anefa dia ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy no nampiditra ny tetikasa hampiasana bus be eto Antananarivo. Eto akory tsy toy ny any Sydney na Paris, na ihany koa Californie izay manana lalam-be mikodana azon’ny fiara 3 indray milahatra ka ahatonga ny bus be tsy manelingelina ny hafa. Ny eto an-drenivohitra dia tena tery dia tery ny lalana ary tsy mahazaka fiara lehibe mifanena izany intsony. Be tetika fotsiny nefa kely lalana.

Ravalo tsy Manana

Mbola lavitr’ezaka !
Azo lazaina ho nilamindamin-dratsy ihany ity herinandro hifarana rahampitso ity raha ny raharaham-pirenena no jerena. Somary nampitonitony ny hatezeram-bahoaka mantsy ny fanatsarana nentin’ny JIRAMA tamin’ny resaka famatsian-jiro.  Na dia tsy mbola tomombana tanteraka aza dia hita fa efa nivoatra ny fikatsaham-bahaolana ho famaranana ny delestazy raha ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no jerena. Izany hoe mahita vahaolana ihany ny tompon’andraikitra rehefa misy ny fanerena. Na inona na inona mantsy fanazavana entin’ireo manam-pahefana dia heverin’ny rehetra fa anisan’ny nahatonga izao fandraisana andraikitra izao ny fikomiana nataon’ny mpianatr’i Vontovorona sy ny mponin’Anosimasina Itaosy. Tsy mba anisan’ireo sokajin’olona mpimenomenona sy be taraina fotsiny ny eny Vontovorona sy Anosimasina fa sahy mitaky ny zony amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana. Efa nanambana ny hanao toy izany ihany koa ny teny Ambohipo, sy Ankatso ary ny faritra maro manerana ny renivohitra raha mbola mitohy ny delestazy. Mazava ho azy fa niafara tamin’ny fitokonana faobe manerana ny tanàna ny zava-nitranga ka nikoropaka naka fepetra sy nitady vahaolana faran’izay haingana ny fitondram-panjakana. Tsara sady nety ny nataony satria io mba miverina amin’ny laoniny tsikelikely io ny famatsiana herinaratra.

Na izany aza ve dia ho voatery hanao fikomiana foana ny vahoaka malagasy vao mba afaka ny hisitraka ny zony ? Tsy sitrapon’ny ny vahoaka ny hitokona saingy rehefa tena mihoatra ny zakan’ny aina ny zava-misy dia tsy maintsy tonga amin’ny fihetsiketsehana ihany ny fitakiana sy ny fitarainana. Ankoatra ny delestazy mantsy dia mbola anisan’ny fery mikiky ny vahoaka ihany koa ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Miha mahery vaika ary mivadika biby araka ny fomba fiteny mihitsy mantsy ny mpanao ratsy amin’izao fotoana izao. Vao tamin’ity herinandro ity izao no nisy mpampianatra vehivavy sady mitondra vohoka naolana sy novonoina ho faty. Tovolahy hafa ihany koa no sady voaendaka no maty voatsindron’antsy teny Ambanidia. Ankoatra ireo dia saika ho isan’andro no ahenoana vonoan’olona sy fandrobana ary fanolanana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ny tranga toy izany no mahatonga ny Malagasy hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka. Tena tsy ara-dalàna ary tsy eken’ny saina io resaka fitsaram-bahoaka io nefa zava-misy ary sarotra ny mamaha azy. Na dia manao fanentanana matetika sy miantso ny vahoaka tsy hiroso amin’izany aza ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia vao mainka mirongatra io fomba fanao ratsy io.

Raha ampy anefa ny fandraisana andraikitra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana dia ho foana ho azy ny fitsaram-bahoaka. Raha voasambotra ny mpitandro filaminana ary voasazy mafy eo anatrehan’ny fitsarana ireo mpanao ratsy dia ho foana ho azy io fitsaram-bahoaka io. Matoa mantsy mitombo isa ny olon-dratsy dia tsy atahoran’izy ireo intsony ny sazy miandry azy raha voasambotra izy ireo. Hatreto aloha dia ny fitsaram-bahoaka ihany no sazy atahoran’ny mpamono olona sy mpanolana ary mpangalatra. Ankoatra ny maha fiarovan-tena azy dia maneho endrika fikomiana io fitsaram-bahoaka io satria fantatra izao fa tsy ara-dalàna nefa inian’ny fokonolona atao ihany. Misy endrika fanararaotana ihany koa ary efa miroso tsikelikely any amin’ny resaka fanakorontanana. Ny tena loza dia lasa ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana indray no mifandramatra noho ny afitsoky ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana manao izay hanajana ny lalàna ary ny vahoaka kosa mitaky ny hamonoana ireo nahavanon-doza.

Mbola betsaka ny ezaka tokony hataon’ny mpitondra Fanjakana eto Madagasikara mba hametrahana firenena mandroso sy fiarahamonina vanona. Tsy vitan’ny fitokanana efitranon-tsekoly sy ny fizarana fanomezana kely etsy sy eroa mantsy ny asa fampandrosoana fa mila ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny rehetra mihitsy.

Ravalo tsu Manana

Miandry vokatra !
Hita fa nisy fanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny mponin’Antananrivo sy ny renivohitra. Tsy nisy intsony ny delestazy maharitra elabe ho an’ny tanàna maro. Misy ihany ny fahatapahana madinidinika saingy toa mandalo kely fotsiny izany dia miverina. Mitondra fanazavana matetika ny eo anivon’ny orinasa Jirama fa efa mandeha ny asa fanarenana rehetra ary mitombo miandalana ny famokarana herinaratra. Raha mitohy tsy misy tomika izany fanarenana izany dia heverina fa hihoatra ny filan’Antananarivo ny famokarana ato ho ato. Izany hoe raha tenenina mivantana dia hifarana hatreto ny nofy ratsin’ny delestazy. Efa vaovao tsara izany ho an’ny mpanjifa ary ankasitrahan’ny vahoaka satria vahaolana toy izany no ilain’ny rehetra. Tsy ny mponin’Antananarivo irery anefa no vahoaka malagasy fa ny olona rehetra manerana an’i Madagasikara. Izany hoe mila vahaolana maharitra amin’ny delestazy ihany koa ny any amin’ny faritra rehetra any ary ireo toerana tsy mbola nanana jiro hatramin’izay dia tokony homena. Raha tontosa izany dia afaka miteny sy mirehareha amin’izay ny mpitondra fa tena nahavita asa fampandrosoana mivaingana.

Tsy ny resaka famatsian-jiro ihany koa anefa no andrasan’ny mponina fa sehatra maro amin’ny fiainana andavanandro no mila ezaka asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy. Ho an’ny eto an-drenivohitra izao dia tena efa manomboka simba sy sarotra ampiasaina ny lalana rehetra. Maro ireo lavaka be eny afovoan’ny arabe nefa jerem-potsiny. Eo Soarano, amin’ilay lalana vao avy namboarina vao haingana kely iny ary misy vavan-tatatra tsy misarona nefa dia jerem-potsiny tsy misy manarona. Tena loza ho an’ny fifamoivoizana ireny lavaka be ireny satria ankoatra ny fitohanana aterany dia sady manimba fiara no mety hiteraka fandratrana olona mihitsy raha sanatria misy fiara latsaka ao. Andrasan’ny mpampiasa lalana noho izany ny fanamboarana ireny fotodrafitrasa simba ireny satria tena iankinan’ny fizotry ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka mihitsy izany. Vitan’ny Fanjakana raha izay hanampina lavaka eny amin’ny arabe izany. Efa niaraha-nahita fa vetivety ireny lalana ireny dia voatampina raha tena te hanao ny mpitondra. Porofon’izany ny zava-nitranga talohakelin’ny frankofonia.

Ny fampidinana ny vidim-piainana ihany koa dia tena anisan’ny zava-dehibe andrandrain’ny vahoaka malagasy. Raha tena mitady vahaolana toy ny natao tamin’ny delestazy eto Antananarivo ny mpitondra dia antenain’ny maro fa hahita tetika hampidinana io vidim-piainana io. Ohatra iray manaporofo fa azo atao ny mahita vahaolana toy ny efa natao tamin’ny saran-dalana. Ireny niara-nijoro ireny fa tsy hanondrotra ny saran-dalana ireo mpanao fitaterana hita fa tena matianina. Ireo kaoperativa mitsipozipozy nefa tia tena sisa no miziriziry amin’ny Ar 500 nefa ny kalitaon’ny tolotra sy ny asa ataon’izy ireo tena  “aotra” raha asiana naoty. Mila ampidinina ihany koa ny vidim-bary sy laoka mba hahafahan’ny vahoaka misakafo ara-dalàna satria tena hita ny vesatry ny fahantrana sy ny tsy fahampiana amin’izao fotoana izao. Mila ezaka sy fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana izany rehetra izany satria tena iankinan’ny fiainam-bahoaka mivantana. Tsara ny mizara fanampiana etsy sy eroa saingy tsara kokoa ny fanatsarana mivantana ny ara-tsosialy.

Raha te hisoroka ny tsikera sy ny fitokonana mitranga etsy sy eroa ny fitondram-panjakana dia ny famahana ny olam-bahoaka sy ny fanatanterahana ny hetahetan’ny mponina ihany no vahaolana tokana sy mahomby hanatanterahana izany. Izay rahateo no asa aman’andraikitra nankinina tamin’ireo mpitondra ary handraisan’izy ireo karama sy tombontsoa be ao anaty Fanjakana ao. Ny vahoaka malagasy dia anisan’ny vahoaka hendry ary tsy sarotiny firy amin’ny fitondran-tenan’ny manam-pahefana saingy kosa manantena ny fisian’ny vokatra mivaingana sy ny asa fampandrosoana.

Ravalo tsy Manana

Diso laharam-pahamehana
Mbola mametra-panontaniana ny maro amin’izao fotoana izao hoe maninona no tsy sokafana hamahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ilay lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato. Rehefa mamaly izany ny manam-pahefana dia milaza fa mbola tsy vita tanteraka ny lalana ka atahorana sao ho simba raha toa ka ampiasain’ny rehetra. Rahoviana izany io fotodrafitrasa io vao ho afaka hampiasain’ny Malagasy ? Toa mitombina ihany ny filazan’ny vahoaka hoa natao ho an’ny vazaha io fa tsy ho an’ny Malagasy. Tena mikaikaika ny mponina eny Ivato hamonjy ny renivohitra nefa ny Fanjakana tsy rototra amin’ny famitàna ilay lalana. Efa ho 5 volana aty aorinan’ny nanokafana azy tamin’ny frankofonia ve dia tsy ho vita ihany raha tena namboarina. Ny fomba fitantanana toy izany anefa no mahatonga ny vahoaka tsy hanana fahatokisana amin’ny mpitondra intsony. Tsy azo hadinoina mantsy fa nisy tranon’olona noravana tamin’ny fanaovana io fotodrafitrasa io. Nisy tanimbary nalain’ny Fanjakana ihany koa nefa dia io tsy azo ampiasaina io ilay lalana. Malaza tsy ihinanana toy ny lovian-tsahona ara-bakiteny mihitsy satria nireharehan’ny mpitondra Fanjakana fatratra fa anisan’ny tombontsoa napetraky ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Izao anefa toa lalovam-potsiny ary tsy azon’ny Malagasy ampiasaina akory ilay izy.

Lasa resaka praopagandy politika fotsiny sisa ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Ekena fa tena mitondra asa fampandrosoana tokoa ireny fotodrafitrasa ireny na nisy aza ireo nanely taloha fa tsy hanina ny lalana. Na izany aza dia hita ihany fa misy laharam-pahamehana hafa tena manahirana ny vahoaka amin’izao fotoana izao dia ny ara-tsosialy. Tena mahantra ny ankamaroan’ny isan-tokantrano ary manahirana hatramin’ny fitadiavana sakafo hivelomana isan’andro. Tsy mahagaga raha mitombo isa ireo mpatory an-tsena sy mpangataka eto an-drenivohitra. Tena vahoaka malagasy izy ireny fa tsy vahiny akory ary tsy azo odian-tsy hita. Olona nandositra ny fahantrana sy ny tsy fisiana tany amin’ny toerana nisy azy ireny mpatory sy mpirenireny eny an-tsena ireny ka niakatra ny renivohitra satria aty no misy ny mpitondra Fanjakana heverin’izy ireo fa azony ianteherana hamonjy azy. Ireny no antsoina hoe resy tanteraka ary porofon’ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena. Ankoatra ny mpangataka sy ny mpitsindroka fako mba hivelomana anefa dia marobe amin’ny Malagasy no tena ao anatin’ny fahasahiranana noho ny tsy fisian’ny asa mahavelona. Tsy mahagaga raha mitombo andro aman’alina ireo mpanao asa tsy ara-dalàna satria tsy ampy ny tolotr’asa misy.

Tsapan’ny fitondram-panjakana ny fahasahiranan’ny vahoaka araka ny kabary averimberin’izy ireo. Manaporofo izany ny tetikasa fanaovana asa tana-maro sy ny fizarana fanomezana kely etsy sy eroa. Tsy hahavita taona anefa ireny ary tsy afaka hitondra fampandrosoana ho an’ny isan-tokantrano ihany koa. Mila asa ara-dalàna sy marin-toerana ny vahoaka mba tena hahafahany mandray anjara amin’ny tena asa fampandrosoana marina. Matetika ny mpitondra no manao antso mba hiarahan’ny rehetra mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena nefa sarotra tanterahina izany raha tsy misy rafitra sy sehatra hahafahan’ny tsirairay mandray anjara. Tsy vitan’ny antso mantsy ny fifanomezan-tanana fa mila famoronana asa ihany koa. Mbola lavitr’ezaka anefa ny sehatry ny famoronana asa eto Madagasikara. Na misy fitomboany isan-taona aza ny antontan’isa mahakasika ny famoronana orinasa vaovao dia hita fa tsy matotra ny ankamaroany ary tsy maharitra ela no tsy misokatra ho an’ny hafa ihany koa. Saika karazana orinasa mitsipozipozy kely amin’ny sehatra fanelanelanana ara-barotra sy serasera no betsaka ary tsy maharitra roa taona akory ny ankamaroany dia mikatona.

Ravalo tsy Manana

Fifidianana alohan’ny fotoana
Toa mampirisika ireo mpanao politika hanafaingana ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Hita fa efa tena dodona sy maika ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fampandrosoana ny firenena ny rehetra. Raha ny hiditra ao anaty Governemanta na dia tsy hahazo toeran’ny minisitra aza fa mba miara-mitavana any amin’ny sokajin’ny mpiasam-panjakana ambony sy mpanolo-tsaina ary mambran’ny kabinetra no tena imasoan’ireo mpanao politika maivankitsaka dia ny haka ny toeran’ny filoham-pirenena mihitsy no hiomanan’ireo efa manana ny tanjany. Mazava ny hafatr’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita teo aloha fa tsy misy na iza na iza afaka hisakana azy raha te hilatsaka hofidiana filoham-pirenena izy amin’ny taona 2018. Marina ny azy satria zony tanteraka izany ary misy ny vahoaka tena mangataka mafy ny hirotsahany mihitsy. Toy izany ihany koa i Marc Ravalomanana izay tsy mitsahatra ny mamerimberina fa ho kandida amin’ny fifidianana manaraka. Ankoatra ireo dia efa hatramin’ny ela i Edgard Razafindravahy no nanao fitetezam-paritra sy manamafy ny toerany eo anivon’izao tontolo izao sy manomana ny sain’ny mpifidy amin’izy tetikasam-pampandorosoana harosony eo. Ny an’ity mpitarika ny antoko And ity moa dia ny fanavaozana ifotony ny rafitra federalisma no heveriny ho vahaolana tokana hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Mazava ho azy fa tsy ho tanteraka izany raha tsy lany ho filoha amin’ny alalan’ny fifidianana izy.

Toa ela loatra anefa ilay fifidianana manaraka izay amin’ny taona 2018 raha haingana indrindra. Maro ny efa mihevitra sahady fa raha ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao dia amin’ny 2019 any vao hisy ny fifidianana filoha manaraka. Tsy andrin’ny rehetra anefa izany satria ny firenena dia latsaka an-katerena tanteraka nefa tsy hita izay tena vahaolana aroso. Manaporofo izany ny fanovana matetika ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo mpiasam-panjakana ambony ary ireo tompon’andraikitra lehibe amin’ny orinasam-panjakana. Hita ho tsy mahomby anefa io tetikady iray io satria isan-taona izao ve dia hanova governemanta hatrany. Lany andro amin’ny fanendrena sy fanesorana tompon’andraikitra ity fitondram-panjakana ity ka tsy mahavita asa mivaingana fa mionona amin’ny fikarakarana atrikasa sy fandrafetana tetikasa fotsiny sisa. Raha ny tena tokony ho izy mantsy dia herin-taona mahery kely eo ho eo sisa no fotoana fitondran’ny filoha ankehitriny dia hifarana. Inona avy anefa no asa fampandrosoana napetrany tao anatin’izay fotoana izay. Nisy fa kely ary tsy araka ny nampanantenaina. Raha atao ny fampitahana dia azo ambara fa miiba ny vokatra satria tsy mahafeno ny banga amin’ny fihemorana ny asa fampandrosoana napetraka. Nanamboatra lalana vitsivitsy ny fitondrana saingy tsy azo odian-tsy hita fa simba avokoa ny lalana hafa manerana ny Nosy. Porofo akaiky maneho izany ny eto an-drenivohitra. Vita tsara ny eny Soarano fa ankoatra io dia miverina avokoa ny lavadavaka rehetra manerana ny tanàna. Nametraka fotodrafitrasa famokarana herin’aratra vaovao nyf itondrana saingy io iaraha-mahita io ny delestazy izay mampiseho fa ny olona efa nanana jiro taloha aza lasa miaina ao anaty haizina hatramin’ny taona 2014. Napetraka ihany koa ny toby sy andian-tafika isan-tsokajiny hiadiana amin’ny dahalo nefa raha hampitahaina tamin’ny tranga talohan’ny taona 2014 ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny dia hita fa avo dia avo. Santionany kely amin’ny raharaha tsy manjary eto amin’ny firenena ireo noresahina ireo ary mahatonga ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana intsony. Izany antony izany no manery ny mpanao politika manam-piniavana hampandroso marina hihetsiketsika sahady amin’ny fanomanana ny fifidianana manaraka. Ary sao dia mba tokony haroso amin’ity taona ity tokoa ary io fifidianana amin’ny 2018 io hahafantarana izay tena tian’ny vahoaka marina?

Ravalo tsy Manana

Feno ny fepetra
Naverin’ny filoham-pirenena indray tamin’iny faran’ny herinandro iny, nandritra ny fitsidihany tany Vohibato fa feno ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana. Marina tsy hiadian-kevitra izany raha mitombina ny fireharehan’ny fitondram-panjakana fa nahazo famatsiam-bola hatramin’ny 10 miliara dolara i Madagasikara mba hanatanterahana ireo drafitrasam-pampandrosoana efa voafaritra ao anaty politika nasionaly. Raha ny zava-misy ihany koa dia tsy misy intsony ny vato misakana satria efa mivaha avokoa ireo heverin’ny mpitondra fa olana manakana azy ireo tsy hiasa. Tsy misy ny fitokonana lavareny, mangingina ny mpanao politika, mazoto miasa ny vahoaka ary na ny toetrandro aza dia miverina amin’ny laoniny satria iaraha-mahita fa efa avy ny orana izay nandrandraina hatramin’izay.

Vahoaka milamina ny Malagasy ka na dia tsy takona afenina aza fa tsy mandeha araka izay nampanantenaina ny asa fampandrosoana sy ny fitantanana mahomby dia mbola manetry tena sy midiyra amin’ny lojikan’ny fihetsiketsehana ny ankamaroan’ny vahoaka. Anjaran’ny mpitondra izany sisa no manatanteraka ny asa fampandrosoana nampanantenainy. Raha tsy vita izany dia tsy manana fialan-tsiny intsony izy ireo fa tompon’andraikitra amin’izay zava-mitranga eo.

Mila manome vokatra tsara ao anatin’ny fotoana fohy, noho izany ny fitondram-panjakana satria misy fetrany ihany ny fandeferana sy ny faharetan’ny vahoaka. Raha sanatria mantsy tsy misy akory ny asa fampandrosoana dia mety ho feno koa ny fepetra hahafahan’ny vahoaka manao hetsika hanehoana ny fahadisoam-panantenany. Hatreto aloha dia toa kabary no tena betsaka fa tsy hita mihitsy izay tena fiovana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana ary mitohy ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana ary ny tsy fandriam-pahalemana.

Tsy hita izay vahaolana aroson’ny mpitondra amin’ireo sehatra mankarary ny mponina ireo fa vitavitan’ny fanambarana sy ny fihetsiketsehana etsy sy eroa. Mody mizara vary sy menaka ary tsaramaso, na ihany koa masomboly sy tranon-tantely  amin’ny olona vitsy dia vitsy izay raha isaina dia tsy ampy 0,1%n’ny vahoaka malagasy akory. Dia izany ve no ireharehan’ny mpitondra fa mihaino sy mahita ary mitondra vahaolana ho an’ny vahoaka izy ireo. Ny vary sy tsaramaso nozaraina tamin’ny fianakaviana vitsivitsy monina eto an-drenivohitra tamin’iny faran’ny herinandro iny izao efa lany sahady dia tsy manan-ko hanina indray ireo nahazo fanampiana vao nitsidika ny omaly alatsinainy.

Tsy fizarana fanomezana kely madinidinika amin’ny sokajin’olom-bitsy notsongaina no atao hoe fitsinjovana ny sosialim-bahoaka fa ny fampidinana ny vesatry ny vidim-piainana. Mila vidin’entana mora ny vahoaka ary mila asa ihany koa hahafahany mitady vola hamelomany ny tenany sy ny fianakaviany ary hahafahany mampandroso ny firenena. Ambony loatra ny vidim-piainana eto Madagasikara ary raha atao tomba-maso tsotra dia ny fiakaran’ny hetra isan-karazany no tena mahatonga izany ankoatra ny fahambanian’ny sandan’ny ariary. Tsy hita anefa izay vokatra azo amin’ny fampiasana ireo hetra voaangona. Raha ny fanazavan’ireo mpitondra ambony dia lany anakaramana ny mpiasam-panjakana sy ampiodinana ny sampan-draharaham-panjakana fotsiny ny hetra fa tsy misy ambiny hampiasaina hanaovana tetikasam-pampandrosoana. Izany hoe natao hamelona ny mpiasam-panjakana fotsiny izany ny vahoaka nefa tsy hita izay tambiny sy tombony azo avy amin’izany.

Misy fitantanana tsy mahomby ao matoa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana. Mbola misy dia misy tokoa ny kolikoly sy ny kitranoantrano ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra koa tsy mahagaga raha tsy mety mandeha amin’ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana nampanantenain’ny filoha. Mbola maro ny sokajin’olona mamboly voky tsy mamboly voky ary havanana amin’ny fitavanana ny volam-panjakana sy tombontsoa mihoa-pampana any anaty sampan-draharaha any. Ireny olona ireny no anisan’ny fanetry be tsy mampandroso ity firenena ity. Mody hoe mpikambana anaty kabinetra nefa tsy haninon-tsy haninona fa mitsentsitra ny hatsembohan’ny vahoaka malagasy fotsiny. Efa feno kosa angamba izao ny fepetra hanafoanana ireny katsentsitra ireny tsy hanao ampihi-mamba ny volam-bahoaka intsony.

Ravalo tsy Manana