Madagascar Matin » Coin citoyen

Fanafihana tao Antanety – Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.

Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny distrikan’Ambohidratrimo iny. Tsy vao ela akory ny gazetintsika Madagascar matin no namoaka vaovao momba ilay fanafihana mahatsiravina tao Mahitsy izay nahafatesana tovolahy sy ny ray aman-dreniny. Notifirin’ny jiolahy teo amin’ny  lohany ity tovolahy ity ary nokapain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny famaky avy eo ny kitapo nifonosany. Ny talata lasa teo dia nisehoana trangam-panafihana hafa indray tao amin’io distrika io ary tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antanety ao anatin’ny kaominina Ampanotokana. Jiolahy miisa dimy miravaka antsy lava lela sy famaky no nanafika tokantrano iray. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia rehefa tonga ny tamin’ny 12 ora alina dia nitsaitsaika nisaoty tamboho ireto jiolahy ireto ary avy hatrany dia namoha moramora ny varavaram-be an’ilay trano. Tsy nisy naheno anefa ny nidiran’izy ireo tao anatin’ilay trano ary nilaza ireo tompon-trano fa mety nampiasa fanafody mihitsy izy ireo satria toa natory maty avokoa ny iray trano nandritra ny nitsofohan-dry zalahy tao. Rehefa tafiditra ireto mpamaky trano ireto izay vao nikoropaka ny iray trano saingy tsy nisy sahy nikofoka rehefa nahita ny fitaovam-piadiana maranitra notazomin’izy ireo. Nisava ny trano avy hatrany ry zalahy ary nanery ny renim-pianakaviana mba hanoro ny fisian’ny vola. Tsy nanaiky lembenana tamin’ny fandrahonana nataon’ireo jiolahy anefa ity farany ka avy hatrany dia voafira tamin’ny famaky be ny lohany. Ankoatra ireo entana lafo vidy toy ny fahitalavitra, finday dia vola dimy alina sy roa hetsy Ariary no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Ora roa taty aoriana voa nahare ny vaovao ny zandary ka nidina avy hatrany tany an-toerana. Ireo olon-dratsy anefa rifatra nitsoaka rehefa nahazo izay nilainy rehetra.

Ra Tax.

Fitaterana ao Ambatondrazaka – Nampihatra ny didy vaovao ny kaominina-nitokona ny taxi-moto
Tsy faly tanteraka amin’ny tompon’andraikitry ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra amin’izao fotoana izao ireo mpamily taxi-moto izay efa mahatratra amin’arivony ka niray hina nanao rodobe nitety ny tampon-tanàna ny alarobia 22 febroary 2017 lasa teo. Nisy tamin’izany ny fibahanana ny lalam-pirenena faha-44 ka nahatonga ireo fiarakodia nikasa ny hivoaka an’Ambatondrazaka hitohana tamin’io andro io. Antony nahatonga izany raha ny nambaran’ireo mpamily taxi-moto izay niray hina fatratra nanohitra ny nambaran’izy ireo ho tsy rariny ny fampiharan’ny avy ao anivon’ny kaominina ny didy vaovao indray izay andoavana sarany 5000 ariary ho setrin’ny fampiofanana arahina taratasy fanamarinana ahazoana miasa avy amin’ny kaominina. Mahatratra 625 ny isan’ireo taxi-moto izay nanaraka an-tsakany sy an-davany izany hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka etsy ankilany ary tsy maintsy noraisina izao fepetra izao mba ho fampanarahan-dalàna ireo karazam-pitaterana ireo, izay efa marobe no ara-dalaàna any an-toerana. Raha ny zava-nisy dia betsaka ireo moto naorin’ny avy ao amin’ny kaominina nampian’ny polisim-pirenena ny maraina ka niteraka io filaharam-be io ny tolakandro. Tamin’io fotoana io dia sahirana tanteraka ireo mpandeha izay efa zatra taxi-moto satria tsy nahitana izany na dia iray aza teny rehetra teny. Marihina fa mitana ny lohalaharana eo amin’ny sehatry ny fitaterana ao Ambatondrazaka ny fitaterana amin’ny moto izay ambaran’ny maro ho vahaolana haingana ahafahana mivezivezy ary afaka mandeha hatrany amin’ny toerana tsy tongan’ny fiara.

Ange R.

Antsirabe Renivohitra – Nandray ny tambin-karama ireo Sefo Fokontany
Mba mpiasa tena miaritra tokoa raha ny sefo fokontany satria tsy mba voafaritra mazava toy ny an’ny mpiasa rehetra ny fotoana andraisana ny valin-katsembohana avy amin’ny kaominina fa izay fotoana amoahan’ny tompon’andraikitra izany. Tsy karama mahavelona fa mbola antsoina amin’ny hoe tambin-karama ihany koa.  Ho an’ny ao amin’ny renivohitry ny faritra Vakinanaratra dia natomboka omaly alarobia 22 febroary tolakandro ny fizarana ny vola ary hotohizana isam-bolana araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna Razanakolona Paul. Matetika rehefa misy ilain’ny fitondrana ny olom-pokotany izany vao avoaka ny volan’izy ireo. Rehefa antomotry ny fifidianana, ohatra, dia hain’ny mpitondra tokoa ny mahita ny vondron’olona ifotony ka manao izao fambaboana ny fon’ny vahoaka rehetra izao. Saingy araka ny loharanom-baovao dia tsy mifandray amin’izay ity hetsika nataon’ny avy ao amin’ny kaominina ity fa efa fanao’izy ireo fa nisy fiatoana kely dia izao naverina izao indray ary efa nankatoavin’ny mpanolo-tsaina ny hamerenana izany. Volan’ny kaominina madiodio no andoavana izany amin’ireo sefo fokontany. Nandritra ity fizarana tambin-karama ity moa no nanamafisan’ny Ben’ny Tanàna fa mbola izy aloha no mitantana ny tanàna hatramin’izao, manoloana ilay fampiatoana nataon’ny mpanolo-tsaina azy teo iny.

Antohomadinika – Ramatoa voan’ny Avc karohin’ny fianakaviany
Aretina iray mety hahavoa ny rehetra ny Avc na aretin’ny ati-doha mahatonga fahaverezan’ny fitadidiana eo amin’ny olona iray. Maro anefa ireo olona tratran’io aretina io no tsy afaka mitsabo tena akory noho ny sarany izay tena lafo tokoa. Mahakasika izany indrindra dia ramatoa 45 taona iray no karohan’ny fianakaviany fa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy lasa teo ka hatramin’izao. Monina ao Antohomadinika io vehivavy io ary tsy vao ela akory izy no tratran’io areti-mandoza io. Raha ny vaovao voaray tamin’ny fianakaviana dia efa tsy navela nivoaka ny trano izy ary mpanampy ao an-trano no nasaina niambina azy tamin’io fotoana io raha efa lasa nandeha niasa avokoa ny iray trano. Nisy fotoana anefa nandeha nanaingim-bary ity mpanampy ity ary nanararoatra nivoaka ity ramatoa ity. Nilaza ny olona mpiray vodirindrina fa nandeha nankany Atsimo izy ary nitondra ny poketrany. Niezaka nikaroka azy ihany ny fianakaviana iray manontolo avy eo saingy tsy hita mihitsy izay misy azy hatramin’izao. Sary no aparitaky ny fianakaviana entina ikarohana azy saingy tsy mbola nahitam-bokatra izany. Manahy mafy anefa ireo fianakaviany ny amin’ny zavatra mety mahazo azy satria maro ny olona mety hananararoatra azy. Ny tena mampatahotra azy ireo ihany koa dia ireo mety hanendaka azy satria poketra misy vola sy finday ilay nentiny nandeha. Mbola mitohy ny fikarohana ary efa miara-miasa amin’ny polisy ny fianakaviana amin’izao fotoana izao.

Ra Tax.

Ambalabako – Manao be midina an-tanàna ny dahalo
Tsy matahotra mpitandro filaminana intsony ny dahalo amin’izao fotoana izay ary efa tena manafika an-tampon-tanàna mihitsy. Manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana ary tanàna iray anisan’ny lasibatr’ireo tsy mataho-tody matetika ny ao Ambalabako- Ambatondrazaka izay toerana ahitana ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia. Ny faran’ny herinandro teo dia nanao be midina tany an-toerana ireo dahalo haka ny anjarany ary omby miisa 12 be izao no fantatra fa lasan’izy ireo. Tsy misy sahy nanaraka tamin’izany satria mitondra sabatra sy basy mahery vaika avokoa ireo dahalo efa ho am-polony maro nanafika ny tanàna. Rehefa tsy naharaka ny hafainganam-pandehan’ny namany ny zanak’omby iray dia najanon’ireo dahalo teo amin’ny toerana iray. Io omby tokana io no hany mba tafaverina tany amin’ny tompony. Mbola ao anatin’ny fikarohana kosa ny tompon’omby sy ny fokonolona amin’izao fotoana izao ary efa eny ampelantanan’ny manam-pahefana ny raharaha. Manao ny ataony tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro ka mampikaikaika fatratra ny mponina.

Ra Tax.

Fitsaram-bahoaka – Gisa efatra no namonoana ilay rangahy
Tsy milamina ary kely ny fanantenana amin’ny hisian’ny filaminana eto amintsika. Miha mafy ny fiainana ary efa miha kivy ny Malagasy. Nanjary lasa rariny amin’ny toe-tsain’ny sasany noho izany ny famonoana ireo mpangalatra sy ny namany, indrindra fa ireo tratra eo am-panaovana ny asa ratsiny.

Manjaka ny fitsaram-bahoaka ary efa nampitandrina ny mpitandro filaminana tamin’ny herinandro lasa teo fa sazy henjana no azon’ny olona mananteraka izany na inona ny  antony na inona. Etsy ankilany anefa dia very fanahy ny fokonolona satria amin’ny fotoana isehoan’ny halatra, vaky trano na fanendahana dia tsy eo izy ireo hanampy. Tsy mitsaha-mitombo noho izany ity fitsaram-bahoaka ity ary vao tamin’ny talata hifoha alarobia teo no nisy tranga hafa indray tao amin’ny fokontany Mangalaza kaominina Feramanga avaratra distrikan’Ambatondrazaka. Raha ny vaovao azo dia rangahy iray tratra nangalatra gisa miisa efatra no niharan’ny hatezeram-bahoaka ka niafara mihitsy tamin’ny famonoana azy ho faty izany. Nisy nahita ity rangahy ity nangalatra ireo biby fiompy ireo ary raikitra avy hatrany ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja anefa dia ny iray tanàna mihitsy no nirotsaka an-tsehatra nanenjika an-drangahy. Naharitra minitra maro ny fifanenjehana ary tratra ihany ity farany. Mbola nandà hatramin’ny farany anefa izy fa tsy nangalatra na inona na inona ka izay no tena nampiaka-pofona ny fokonolona. Raikitra teo ny fikasihan-tanàna ary tsy voatana fa nidaroka sy nively azy ny iray tanàna. Tsy tana noho ny daroka nisesisesy ny ainy ary maty teo noho eo ihany izy. Marihina fa fokontany iray izay anisan’ny be mpiompy sy mpamboly raha ny ao Mangalaza ary mamatsy tanàna maro eto Madagasikara. Manomboka mametraka fiaraha-mientana ny mponina ao an-toerana ankehitriny amin’ny fiarovana ny fananany izay matetika lasibatry ny mpanao halabotry ka hatramin’ny fanafihan-dahalo. Mahakasika ity raharaha ity dia efa nidina ifotony nanao ny fitsirihana ny razana ny tompon’andraikitra ary efa eny anivon’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Ra Tax.

Fikambanana Fafi-V – Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany
10 taona sahady izay no nanasoa ny mpiara-belona, nanome lanja ny lafiny ara-tsosialy, niaro ny zo maha olona indrindra ny fanampiana ireo iharan’ny tsindrihazolena eo amin’ny lafiny fananan-tany ao amin’ny boriboritany fahadimy ny fikambanana Fafi-V na ny Fampandrosoana ny Firaisana Isam-pokontany eto amin’ny boriboritany fahadimy.

Tamin’ny taona 2007 no nijoro ny fikambanana Fafi-V. Fomba hafa tokoa no nentin’ireo mpikambana nentina nankalazana izao jobily izao teny amin’ny Espace Imaho Lazaina Avaradrano ny talata 21 febroary lasa teo. Niavaka satria dia ny andro nankalazana ny andro iiraisam-pirenena ho an’ny Teny Reny no nentin’izy ireo nanamarihana izany fotoan-dehibe izany. Mahasaropiaro ny filohan’ity fikambanana ity, Andriamatoa Naivo Raholdina tokoa ny fiarovana ny teny Malagasy. Noho izany, tsy izay sehatra ikatrohany ihany no asongadin’izy ireo homena lanja fa ny teny reny izay ifanakalozan’ny samy Malagasy aloha mba hisy ny fifankazahoana eo amin’ny sehatra ifanakalozana. Nomarihana tamin’io fotoana io ihany koa ny fifampiarahaban’ny birao vaovao hitantana indray ao ny fikambanana. Nandritra izay fotoana nijoroany izay dia mahatratra aman’etsiny ny Malagasy nahita soa avy amin’ny fikambanana tao amin’ny boriboritany fahadimy. Voaporofo amin’ny alalan’izany fa tsy mitsahatra mandroso ny fikambanana. Ny Birao mpitantana ankehitriny kosa izay hitondra ny dimy taona manaraka dia hampahafantarina ampahibemaso eny amin’ny La Résidence Ankerana ny 01 Jolay 2017. Izahay eto amin’ny gazety Madagascar matin dia faly miarahaba ny mpikambana rehetra ary mirarisoa indrindra mba hahavita be hatrany amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanampiana ny mpiara-belona.

Tahirisoa

Antsohihy – Mpangalatra finday maty voakapan’ny antsy lava
Vao tamin’ny herinandro lasa teo izay no nisy tovolahy 17 taona monja matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny halatra finday dia izao nisy tratra izao koa tany Antsohihy. Tovolahy iray izay mbola tena tanora tokoa no maty tany amin’ny hopitaly vokatry ny kapoka nahazo azy. Raha ny loharanom-baovao dia mpanendaka ity tovolahy ity. Lehilahy iray sendra nandeha teny an-dalana no nisy naka tampoka ny finday teny aminy.  Tsy nanaiky lembenana ny tenany ka nenjehiny avy hatrany ilay mpangalatra. Nentin-kafanam-po be loatra  sy hatezerana ity nanenjika ka  rehefa tratrany ilay jiolahy dia nofirainy tamin’ny antsy lava lela ny lohany nakany ilay finday teny an-tanany. Tao Ampandriakilandy, ao anatin’ny Distrikan’Antsohihy no niseho ny tantara. Finday iray no namoizana aina. Nandriaka ny ra sady mafy  ny ratra nahazo ka rehefa notazonina iray andro tao amin’ny toeram-pitsaboana dia tsy tana intsony ny ainy, ny alatsinainy maraina rehefa nialana nenina. Ny olona teo amin’ny manodidina no nitondra ity naratra nankany amin’ny hôpitaly. Mazava hoazy fa na inona antony na inona antony dia heloka eo anatrehan’ny fitsarana ny famonoana olona. Tsy azo lazaina ho fiarovan-tena anefa no nataon’ity lehilahy nikapa antsy azy ity raha ny fizotran’ny tantara ka dia efa  nandray ny andraikiny ny Zandary tao Antsohihy ary nisambotra ilay nahavanon-doza.

Safidy Andrianina

Ambatondrazaka – Tovovavy iray nohanin’ ny voay
Tovovavy iray 18 taona no tsy misy tanana ila intsony.  Ny faran’ny herinandro lasa teo iny dia tovovavy mpaka herana fanamboarana harona sy tsihy eny amoron-drano ireny no nohanin’ny voay raha izy handeha hanao ny asa fanaony isan’andro iny tao Ambakireny Tsaratanàna, ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Teo am-panapahana ilay tahona herana iny indrindra anefa izy no nosamborin’ny voay be tampoka ka ny tanany no tratran’iny biby ity raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana. Ny  sandriny mihitsy no tafiditra tany am-bavan’ny voavy ary dia niezaka nanohitra izy ka  avy hatrany dia tapaka ny tanany iray manontolo. Mbola tafatsoaka nanavotra ny ainy ity tovovavy ity. Nentina notsaboina tao amin’ny hôpitaliben’Ambatondrazaka izy ary dia tsy maintsy nandalo fandidiana ny tenany.

S.A.

Antsevabe didy – Olona 1 maty voatifitra, roa hafa naratra
Ao anatin’ny toerana malaza misy ny kariera amin’izao fotoana izao raha ny ao Didy izay nahitana fanafihan-jiolahy mahery vaika ny alin’ny talata 22 hifoha ny alarobia 23 febroary 2017 lasa teo. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany tao amin’ny zana-bohitra iray antsoina hoe Andakazera ao Antsevabe Didy. Maty vokatr’izany ny olona iray raha voakapoka mafy teo amin’ny lohany kosa ny rainy ary voatifitra teo amin’ny sorony kosa ilay ramatoa reniny. Samy mbola manaraka ny fitsaboana sahaza azy ao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka izy roa ireo amin’izao fotoana izao ary efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana lalina ataon’ny tompon’andraikitra mahakasika ity toe-draharaha ity. Mampihorohoro tanteraka ny vahoaka ny trangana tsy fandriam-pahalemana izay nivaivay tanteraka tato ho ato tao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro ka ilana ny fandraisana andraikitry ny mpitondra isan’ambaratongany.

Ange R .