Madagascar Matin » Non classé

Mianara hanao ny tsara : Isaia 1, 17
Maneho ny maha olom-banona, mitory fahendrena, fijoroana amin’ny maha olon’Andriamanitra, iainan’ny olona manan-tsaina ary fanehoana ny fahamarinana ny fanaovana ny tsara.  Betsaka ny fitarainana etsy sy eroa, manahirana ny trangan-javatra misy isan’andro. Rahoviana isika no hiaina fahatoniana manoloana ny zava-tsarotra  tsy ahitana fanafany.Toa mifanenjika sy mifanaratsy ary mifamaly faty hatrany no atao .

Mandray anjara amin’ny tantara isika

Ny tsy fanaovan’ny olona ny tsara intsony no fototry ny olana.  Nahita an-dRabe nanao ratsy Rakoto dia nisafidy hanova ny tsara fanaony ka naka tahaka ny fanaon-dRabe. Izany hono no tsara izao. Olana ihany koa ny familiana ny atao hoe tsara. Kanefa dia vao maika mampitombo  ny fahavoazana. Dinihonao kely ange izany!

Raha mboa velona koa izaho sy ianao dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny tantaran’ny  fiainam-pirenentsika Malagasy ;  ary tompon’andraikitra  amin’izay iafaran’ny fiainan-tsika : na mpitondra firenena ianao, na mpitondra fiangonana,  na mpiasam-panjakana, na mpamily fiarakaretsaka, na tompona orinasa, na mpianatra, na mpivarotra anana, na ankizy na lehibe… Mpandray anjara ho amin’ny tsara  ve isika sa amin’ny fanimbana hatrany?

Sarotra ve ny manao ny tsara?

Na iza na iza ianao te ho olo-marina dia misy tsara  hatrany am-boalohany mampianatra anao ho vanona, misy tsara tokony horaisina manome fahendrena, misy  ny lalana tsara sy fomba tsara atoron’ny Soratra Masina ho an’ny mpivavaka rehetra, ary ny fahamarinana dia tsy misaraka amin’ny tsara. Noho izany, andeha hiverenana amin’izay ny tena atao hoe tsara, marina, ankasitrahan’Andriamanitra. Izany no mitondra fiadanana.

Mora ny manao ny tsara noho ny manao ratsy. Samy ilàna fahasahiana ny manao azy ireo nefa ny vokatry ny tsara dia fitahiana sy fiadanana. Ny vokatry ny ratsy kosa, tahotra sy fahasimbana. Tsarovy fa nantsoina ho amin’ny fiadanana ny olona rehetra. Fomba fisainana mizatra manao ny tsara no ilaina ary fiezahana mianatra miaina izany.

Ny teny aloaky ny vava

Afaka miala amin’ireto fahazarana miteny ratsy sy tsy mendrika ireto isika :

Fifosana olona, mivazavaza lava, tia miady sy mifamaly, kizitina, manompa, manozona, tia manala baraka olona, mitabataba sy vazavaza  raha misy olana, mila ady, mandranitra ady, mitsabaka amin’izay tsy raharahan’ny tena, manambany sy manevateva olona, mipetsapetsana, mahay vava, tsy mahay mangina …

Raha afaka ireo fahazaran-dratsy ireo dia misy dikany kokoa ny fivoriana isan-karazany ary mahomby kokoa ny fiheveran-draharaha isan-tokony. Misy hajany kokoa ny olona miteny.

Tsara ihany koa ny mahay mihazona tsiambaratelo ary manefa izay zavatra nolazaina. Anisan’ny zavatra mahafinaritra tokony ho hita eo amin’ny fifandraisana ny fahaizana manao teny mankasitraka, misaotra, midera ny tsara hita eo amin’ny olona iray satria tena misy izany  ary tokony hahita izany ny tsirairay na dia mety manana toetra ratsy aza ilay olona.

Ny fifehezana hatezerana

Eo amin’ny fomba fanehoana hatezerana no amantarana ny fahamatorana ananan’ny olona sy ny toe-panahiny. Afaka maneho hatezerana ary tokony hamoaka izany raha misy ny olon-drehetra, kanefa raha toa ka fomba mahery setra no anaovana azy dia tsy mahomby. Noho izany,  afaka mianatra ny fomba salama. Tsy tokony hipoaka be, na mandratra amin’ny fomba fiteny sy fihetsika na amin’ny alalan’ny fitaovana entina handratrana. Tsy tokony hanimba zavatra na hitroatroatra.

Afaka maneho ny tsy fahafaham-po sy ny alahelo ary maneho ny faniriana fiovana amin’ny fanaovana teny milamina. Ampiana ny olona hiova fa tsy terena. Raha manery ny hafa hiova isika dia izay no mitarika haromotana ho anao sy fahasiahana ho an’ny hafa.

Tsy voatery ho tezitra lava isaka ny misy zavatra tsy mahafa-po. Afaka mitaiza tena hanana fomba tony.

Ny fanaovan-tsoa

Aza ny mahasoa anao ihany no atao fa hevero koa izay mahatsara ny hafa. Ialao ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola fa ireo no mibahana tsy ahafahana mihevitra ny manodidina. Ny fanaovan-tsoa dia fitahiana ho an’ny olona anaovana izany. Raha tia manao soa ianao dia hamaly soa anao koa Andriamanitra. Tsy mbola nisy olo-marina ka nafoiny. Ilàna fitiavana ny fanaovan-tsoa satria mila fahafoizana, kanefa mila fahazarana koa.

Matetika anefa ny fanaovan-tsoa, atao ho filan-dera ka anindrahindrana ny tena, na koa ho fitadiavana tombontsoa manokana, na isehosehoana eo anatrehan’ny hafa, na anararaotana ny olona mihitsy. Tsy vokatry ny fitiavana ireny fa anehoana hafetsena ka mifono fihatsaram-belatsihy.

Ny fankatoavana ny lalàna

Fanaovan-tsoa ny fankaoavana ny lalàna. Fehezin’ny lalàna ao anaty fiarahamonina sy ny firenena ny olon-drehetra. Ny olo-marina sy ny olona tsara dia finaritra miaina izany, fa ny olona te hanao ratsy sy sarotra entina kosa dia manohitra mandrakariva ny fifehezana sy ny lamina. Manana olana eo amin’ny fiarahamonina ny olona tsy tan-dalàna. Sarotra ny mitondra raha tsy manana finiavana ho mora alahatra ny olona entina. Tsy hilamina ihany koa ny fiarahamonina raha samy hanao izay saim-patany ny tsirairay avy.

Misy olona tsy faly amin’ny fisian’ny Polisy mandamina fifamoivoizana.  Ho feno korontana sy ady ary fifanjevoana anefa eny amin’ny arabe raha tsy eo izy ireny. Hitondra fahoriana koa ny zanaka raha toa ka manohitra ny fifehezana ataon’ny ray aman-dreny.

Ny fahadiovana

Ny tany andalam-pandrosoana dia hita fa maloto. Tsy lahatra anefa izany fa toe-tsaina fotsiny ihany. Mety tsy hisy vola nefa mety ho mahihitra tsy hividy savony sy hividy rano. Tena misy koa anefa ny hakamoana tsy hanao madio , eny ny tsy fitiavana madio mihitsy aza. Satria mahantra hoy ny sasany dia tsy ilaina izany madio izany. Haloto ihany io hoy ny sasany koa maninona no diovina?

Madio sy Masina, Andriamanitra, tokony ho tia madio ny olona mpivavaka. Raha izany no tanteraka dia ho firenena madio i Madagasikara, manomboka eto Antananarivo. Tsy izany anefa no misy fa feno loto eny rehetra eny : ny zavatra amidy, ny toerana ivarotana, ny olona mivarotra, ny tontolo manodidina. Tsy misaraka amin’ny fahadiovana ny filaminana. Tsy hanana ny madio sy milamina isika raha tsy misafidy ny ho tia izany ary manao ezaka hanana izany.

Ny fahamarinana

Ny toetra marina no resehana eto. Tsy maka ny an’olona fa mionona amin’izay an’ny tena. Tsy mialona ny hafa fa mankasitraka izay eo am-pelatanana. Tsy mierina ka te hanana foana ary manao izay hanangonana ny zavatry ny olona rehetra ho azy. Mahay resy fa tsy voatery handresy foana. Mety mba ho farany fa tsy voalohany foana. Raha tsy manaiky izany ianao eo amin’ny fiainana dia hitroatra lava ary ho mpanakorotana tsy misy fiafarany.

Ny hafetsena, ny fisolokiana, ny halatra, ny kolikoly amin’ny fanambakana na ny fanararaotana fahefana dia zava-dratsy manimba ny fiaraha-monina. Izay manao izany dia toa mahazo tombony raha jerena ety ivelany kanefa kikisan’ny ratsy ataony andro aman’alina ny ao anatiny ao. Na mamono eritreritra fatratra aza izy tsy maintsy hijinja izay nafafiny. Aleo mifehy tena manao ny marina.

Mila miova isika

Ry olon’ny fiangonana ô, isika olom-pirenena rehetra, na ny kely na ny lehibe, manaiky hofehezin’Andriamanitra ve ianao, misy fitiavana ny mpiara-belona aminao ve ianao? ‘Ndeha hianatra hanao ny tsara. Avelao ny fanenjehana ny sy fanaratsiana ny hafa. Miantsoa an’i Jesoa hamonjy anao.

“…na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany… ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” Filipiana 4:8,9

Tsy mitovy hevitra … nefa mifandray tsara.
Noharian’Andriamanitra ho amin’ny fahasamihafana isika olombelona. Tsy maninona araka izany raha samy hafa ny fisainana, ny safidy ary ny tiana hatao. Nohariana hifandray ihany koa anefa isika fa tsy natao hitoka-monina noho ny fasamihafana. Tokony hanaiky izany ny olona rehetra hampilamina ny fiainany eo amin’ny fiarahamonina amin’ny hafa.

Mahay mifanaja

Samy manana ny fisainany avokoa ny malagasy tsirairay, manana izay fomba fijeriny manokana. Miteraka fihetseham-po ao anatiny izany ary manosika azy hanao izay tiany hatao. Mety hisy hanana fisainana mitovitovy, ary te hanao zavatra mitovy. Izay tena tiana hotsindriana anefa dia samy hafa isika satria noforonina ho manokana, hita izany amin’ny fahasamihafan’ny lavon-tondron’ny tsirairay ohatra.

Raha tsy mitovy amin’ny fisainanao ny an’ny hafa dia tsy hoe ratsy akory ny azy na ny anao no tsara. Ohatra misy olona tia akanjo mena. Manana izay maha izy azy io olona amin’ny heviny sy ny safidiny mikasika ny akanjo mena. Ny mahazatra ny olona tia akanjo fotsy dia ny heviny no ambony ary tsy misy dikany ny olona miakanjo mena. Fisainana diso ny toy izany. Samy manan-danja amin’ny tsirairay ny fisainany sy ny heviny, tsy misy ambony na ambany fa nohariana hanana ny maha izy azy avokoa ny olon-drehetra. Tokony ho hajaina ny olona amin’ny fisainana ananany sy ny tiany hatao mba ho tsara ny fifandraisana.

Raha misy faniriana hanova ny fomba fijery dia mandresy lahatra no atao fa tsy manakiana na manambany izay maha izy azy ny olona. Manaja ny fanapahan-keviny koa  fa tsy manery azy hiova. Rehefa fantatra ny maha izy azy dia manaiky azy amin’ny safidiny. Fifandraisana salama ny toy izany.

Olana amin’ny fahasamihafana

Misy ny  olona sasany  tia manjakazaka sy manararaotra ka tsy zakany ny hevitry ny hafa sy ny tian’ny hafa hatao fa manelingelina ny azy. Ny hambom-po no voadona eto ka tsy hahasakana ny hafa amin’izay maha izy azy. Tsara raha mahay manavaka ny hambom-po sy ny fomba fijery ihany koa. Raha tsy tian’ny olona ny fomba fijerinao dia tsy hihevitra fa voailika na mahatsiaro tena ho ambany hianao. Amin’izay dia mora ny anekena ny toerana misy ny tena na mandresy na resy, na voalohany na ho farany.

Fanampin’izany, rehefa mahay mifehy ny hambom-po dia afaka hahazaka fanakianana. Mahay mandinika sy mandanjalanja ny fiainana ary afaka hitombo hihoatra ny fahalemena. Manana fahatokisan-tena tsara hianao amin’izany ary tsy voatery hiankina amin’ny hafa mba hanan-danja, ka hanamaivana ny maha izy ny tena.

Ny fialonana dia miteraka olana eo amin’ny fahasamihafana. Te hanimba ny hafa hatrany ny olona manana fialonana. Tsy zakany ny hampivoitra ny maha izy io olona io amin’ny heviny sy ny tiany hatao. Mamingana ny tsy mitovy hevitra aminy izy. Fahatsiarovan-tena ho ambany no miteraka ny fialonana.

Ny famelan-keloka

Ny hevitra tsy mitovy dia tsy maintsy miady. Tsara ny manavaka  ny olona sy ny hevitra. Tsy tokony hiady ny olona raha manaja ny fahasamihafana. Tsy miady ihany koa ny olona izay mahafehy ny hambom-pony. Tsy miady ny olona manana ny maha izy azy.

Rehefa miady anefa ny hevitra dia misy ihany ny fihoaram-pefy manohina ny maha olona amin’ny fomba fiteny sy ny fihetsika atao. Raha nahatsiaro naratra hianao tamin’izany ka mitondra otri-po sy alahelo dia zava-dehibe ny mamela heloka. Ny olona mamela heloka dia mahazo tombony betsaka satria mahatsiaro fahafahana amin’ny gejan’ny fankahalana sy ny tsy fitiavana. Manan-kery hahombiazana ny mamela heloka. Manam-piadanana sy fifaliana maharitra izy.

Raha toa ka nahatsiaro nanao ny tsy nety hianao tamin’ny fanehoana ny hevitrao sy ny fanajana ny hevitry ny hafa dia tombotsoa lehibe koa ny miaiky ny tsy mety natao ary mangataka famelan-keloka. Misy antoka tsara ho an’ny tena ny fandraisana famelan-keloka.

Tokony hialana ny ratsy fa manimba ny tena sy ny manodidina ireny.  Ny fiovana dia ateraky ny fanavaozan’ny famelan-keloka. Tsarovy fa nohariana hifandray isika ary manimba ny tena ny tsy fanekena hifandray amin’ny hafa.

Mifandray tsara

Betsaka ny olona no mifamela fa tsy tena amin’ny fo, vokatr’izany dia tsy mifandray tsara fa misy fihatsaram-belatsihy hatrany. Ny fifandraisana dia tsy vitan’ny saron-tava. Tsy maintsy manaiky miverina amin’ny fahatsarana isika raha te hifandray tsara.

Ny olona rehetra manodidina dia hajaina sy henoina rehefa miteny. Mampietry ny avonavona sy ny fireharehana ny rehetra ka tsy mihevitra ny azy ho ambony indrindra ka manao tsinontsinona ny hafa. Manaiky hiady hevitra sy haneho hevitra fa tsy manery ny hafa hitovy aminao na manambany izay tsy manaiky ny hevitrao.

Fo madio hatrany no ahafahana manana fifandraisana tsara. Ny finoana an’Andriamanitra dia manampy antsika tsy hatahotra loatra ny fiainana sy ny hoavy ka mahatonga ny tebiteby hitarika antsika amin’ny lalan-diso izay mahatonga fisarahana sy fifampiandaniana. Mampiadana antsika ny fiarahamonina misy fifandraisana tsara.

Marihina fa tena tsara ny fifandeferana manoloana ny fahasamihafana amin’ny hevitra ananana, kanefa tena tsara kokoa ny fahaizana mifanaja sy mifehy ny hambom-po mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny fifandraisana. Izany no tena tsara sy maharitra.

Tsara ny manetry tena ka mionona amin’izay toerana ametrahan’Andriamanitra ny tena, fa tsy miady ny anjaran’ny hafa. Mahasoa ny toe-po manome lanja ny hafa fa tsy mihevitra ny tena ho tsara sy marina mandrakariva. Aleo ialana ny toetra tsy marina, tsy manaiky ho resy sy ho farany fa miady ho voalohany foana. Aleo hisy hatrany ny hevitra tsy mitovy hampanan-karena ny safidy.

Ny olon-kendry dia tia sy mahay miady hevitra, nefa mifandray tsara satria mifanaja sy mahafantatra ny toerana tokony hisy azy avy.

Amboasary Gara – Lozam-pifamoivoizana, maty ny mpamily
Asan-dahalo, haintrano, , fitsaram-bahoaka lozam-pifamoivoizana. Saika aharenesana ireo loza ireo manerana ny nosy tato ho ato. Manambara ireo fa miaina anaty tsy filaminana tanteraka ny firenena Malagasy. Raha ny mahazatra ny sofina dia ny asan-dahalo no fandre isan’andro tsy tapaka. Tsy vitan’ny miaina ao anatin’ny krizy mandritra ny taona maro ny vahoaka malagasy fa mbola miatrika loza tsy ampozina indray koa ary dia misy hatrany ny aina manaraka. Sahirana mafy tokoa ny ankamaroan’ny  mponina, miezaka ny mba mihary, matetika anefa sendra ny loza tsy am-poizina eny am-perinasa. Lozam-pifamoivoizana izay namoizana ain’olona indray no nitranga tany Amboasary Gara, Rn 44, omaly talata 8 novambra 2016, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Kamiao feno arina fandrehitra, anaty gony maromaro no nivadika tanteraka ka maty teo noho eo ny mpamily fa ilay lehilahy iray niaraka taminy kosa nentina avy hatrany namonjy ny toeram-pitsaboana, noho ny dona mafy sy ny ratra nahazo azy. Mbola tsy fantatra hatreto izay faritra tena voa aminy fa famonjena aina no nataon’ireo nanatrika mba hahazo mpitsabo haingana izy hamonjena ny ainy. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia tena potika tanteraka ilay fiara, heverina ho tapaka hisatra io fiara io ka tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana. Amin’ny loza toy izao dia sarotra ny hitsara sy hifanome tsiny satria efa mba misy ihany ireo miezaka mitandrina sy manara-maso ny fiarany fa ny loza kosa tsy mampilaza rehefa hoavy.  Manoloana izany dia ny fandehanana milamina ihany no tena fahamailona lehibe indrindra rehefa mahazo ny lalam-pirenena izay malalaka ary tsy misy fitohanana, indrindra amin’izao faraparan’ny taona izao.

NY RATRAM-PO
Mety mitranga amin’ny olona rehetra manana fihetseham-po ny ratram-po.  Ny fihetseham-po mavesatra mianjady amin’ny tena no mahatonga azy io ka mampisy ny fanaintainana.

Ohatra : fahadisoam-panantenana, henatra, alahelo, fiferotan’aina, sns… Ny fahatsapana ao amin’ny olona iray no mamaritra ny halalin’ny ratram-po mahazo azy. Raha mora tohina hianao dia mora maratra, raha voadona mafy hianao dia ho lalina ny ratra. Tsy afaka manome tsiny ny olona ny amin’ny ratra mahazo azy isika satria samy manana ny fahatsapany ny fiainana. Ny mifampihaino no azo atao.

Ny fihetseham-po mety mamitaka

Ny fihetseham-pontsika olombelona dia mety mamitaka na koa tsy voatery ho marina. Mety ho diso ny fomba fisainana izay niteraka ny fihetseham-po. Tsy mitombina, ohatra, ny hatezerana satria vokatry ny fitiavan-tena na tsy ampy fahalalana ny marina. Misy kosa ny ratram-po izay vokatry ny zavatra mianjady amin’ny tena anefa ka manohintohina ny maha olona  toy ny fandrobana, ny famoizana, ny tsy fahamarinana, sns…

Anjarantsika ny mandinika fa sao isika ihany no nahatonga antsika ho maratra mba tsy hamitaka ny tena sy hanameloka ny hafa hatrany. Andriamanitra irery no tsy mba mety diso amin’ny fihetseham-pony. Raha tezitra Izy dia marina tokoa ny hatezerany, raha faly Izy dia marina amin’izay hifaliany izay ihany koa.

Na toy inona anefa vesatra ao anatintsika, na avy amintsika na vokatry ny nataon’ny hafa dia miombona fahoriana ary manaiky hanasitrana antsika mandrakariva Andriamanitra. Tokony hanana fanantenana hatrany eo anatrehan’ny ratram-po mahazo antsika.

Ny fifehezana hatezerana

Rehefa maratra ny olona iray dia maneho izany amin’ny hatezerana  hatrany izy. Ny hatezerana dia mety hiseho amin’ny fomba mahery setra na tony. Marihina anefa fa ny tsy fahaizana mifehy ny hatezerana dia mety hampitombo indray ny ratra ao anatinao na koa hampananosarotra ny fanasitranana anao.

Ny hatezerana mahery setra dia miseho amin’ny fiteny mahery vaika : mivazavaza, manompa, miteny maloto, miteny manetry, manala baraka, maneso, manambany, manao izay hahamenatra, miantsy ady. Ny olona vavana dia tena mahavita izany ary izay tratrany dia mandraingiraingy tokoa. Miseho amin’ny  fihetsika misy herisetra koa izy toy ny vono na fandratrana amin’ny alalan’ny fitaovana na ny tena ihany, famotehan-javatra.

Ny vokatry ny fanehoana hatezerana amin’ny fomba mahery setra dia fanenenana lalina ho an’izay manao azy, fatiantoka vokatry ny fahapotehan-javatra, na fahapotehana ny fifandraisana, horohoro sy tahotra, henatra. Matetika dia sarotra sady ela ny fanarenana ny simba, indrindra fa ny fanarenana fifampitokisana.

Tompon’andraikitry ny fiainanany ny tsirairay

Tsy ny olona na ny ataon’ny olona no tokony hamaritra ny fiainanao manokana fa izay zavatra ataonao ihany. Tsy mitombina ny hoe noho ny nataon-dranona ahy no mahatonga ahy mitondra tena toy izao. Fanilihana andraikitra izany. Ny safidy nataonao no maha toy izao anao. Raha mahatsiaro manana ratram-po ny olona iray dia afaka misafidy ny hijanona ho voa mafy foana izy ka hanamelo-tena sy hivary lavo ary hanameloka ny hafa mandrakariva. Azony atao koa anefa ny manapa-kevitra hihoatra izany fahavoazana izany ka hamela heloka sy hanana fijery vaovao ny fiainany.

Marihina hatrany fa raha ny zavatra nataonao no niteraka ratram-po ho anao dia mila manaiky ny fahadisoana ary vonona ny hiala amin’izany.

Misy olona manao bodongerona sy midongy fotsiny tsotra izao amin’ny fanaovana izay tiany hatao mandika lalàna, manararaotra, manampatra  herisetra, mamafy lainga satria maratra hono izy ireo. Toetra manamarika ny olona maratra ny hafetsena ka izany no mahakinga azy amin’ny famitahana.

Tsy manana zo hanao ratsy na hitondra tena tsy mendrika toy izany ny olona manana ratram-po. Endrika fiarovan-tena izany, ary hakanosana hiatrika ny tena fiainana. Fanoherana an’Andriamanitra sy fahambanian-toetra.

Ny anton’ny ratram-po

Fahabangam-pitiavana no fototry ny ratram-po. Izany hoe mahatsiaro nailika na nafoy ilay olona. Ny ratram-po lalina dia niainga hatrany amin’ny tsy fahampiam-pitiavana tany amin’ny fahazazana. Eo ihany koa ireo ratram-po mahazo mandritra ny lalam-piainana amin’ny fahalehibiazana. Arakaraka ny halalin’ny ratra mahazo sy ny faharetany no mampanaintaina mafy ny olona. Marihina koa anefa fa ny refin’ny fahatsapana fiainana dia mamaritra ireo olona mora tohina sy tsy mahazaka fanaintainana, miteraka fijaliana kokoa izany.

Toa mahamenatra ny maneho ratram-po satria heverina ho aretim-pitiavana eo amin’ny vehivavy ihany izany. Dia miseho ho mafy be ka tsy mba mitaraina ny olona sasany, indrindra fa ny lehilahy. Misy fitenenana koa manao hoe ny lehilahy tsy mba resy na tsy mba mitomany kanefa ny lehilahy aza no tena tsy mahazaka fanaintainana. Vokatr’izany saro-tava izany no mahatonga ny olona hahita fahasarotana miatrika ny fifandraisana sy ny tena fiainana.

Ny tokantrano tsy ahahaka, hoy ny fiarahamonina, dia tsy misy miteniteny ny zavatra manjo ao an-trano na dia efa hahafaty aza. Tsy hita ihany koa izay olona itokisana ahafahana mamboraka ny mafy indraindray. Izany rehetra izany dia mampitombo ny vesatry ny ratram-po.

Andriamanitra no manasitrana

Ny ratram-po mahazo ny olona dia mety hitarika aretina eo amin’ny vatany raha toa ka tsy madray andraikitra hitsabo ny tenany amin’izany izy. Tsy dia maharototra ny olona firy ny hitsabo ny ratram-pony fa heverina ho toy ny tandra vadin-koditra izy io ka manaraka eny foana. Anisan’ny mitondra fahavoazana betsaka ho an’ny fiain’ny tsirairay sy ny fiainan’ny fiarahamonina anefa izany. Tena misy fiantraikany tokoa amin’ny fampandrosoana noho izy mamolavola ny toetra.

Tsy ny fotoana no manasitrana fa elanelana no entin’ny fotoana. Andriamanitra izay namorona ny fo sy ny voa no tompon’ny fanasitranana ary ao aminy irery ihany no misy ny fanafahana sy ny fahatoniana.

“Anaka atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako.”( Ohabolana 23:26). Tsy maintsy manantona an’Andriamanitra amim-panetren-tena ny olona manana ratram-po raha te ho sitrana. Atolotra Azy ny fo maratra sy maloto hositraniny sy hodioviny. Tsy mahazo manondro ny hafa intsony rehefa manantona Azy fa manaiky hijery ny lalany dia mizotra amin’izany lalana marina izany. Mila iasana mafy ny avonavona sy ny fanamarinan-tena, ary ny fitserana ny tena izay sakana ho an’ny fanasitranana.

Ny finoana marina an’i Jesoa sy ny fiainana ny fahafenoana atolony ary ny fahatsapana ny fitiavany no ahafahan’ny olona iray manana fahatoniana eo amin’ny fiainana. Izay ilay fiadanana.

Mila fanampiana ny ratra lalina

Rehefa tsy vitanao irery intsony ny manantona mivantana an’Andriamanitra noho ny hasasarana sy ny fanaintainana be loatra dia afaka manantona olona ary tokony hanantona olona afaka manampy ny manana ratram-po. Tsy fahotana izany ary ny Soratra Masina dia mandrisika antsika hifampitondra ny mavesatra. Ny olana ara-panahy be loatra dia manambany ny fanampiana ilaina amin’ny maha olona. Vavaka sy fandroahana devoly ihany dia ampy hoy ny sasany na dia efa miparitaka izao aza ny fiainany ka tsy vitany intsony. Manala baraka an’Andriamanitra ny fitondran-tenany sy ny asany na dia milaza ho olomasina aza izy.

Tena mila olona mihaino sy manampy ny manana ratra lalina. Ireo manana fiankinan-doha na ireo efa lazoin’ny aretina  dia tokony hanao izany. Tsara raha olona manana traikefa amin’izany asa izany no hatonina mba tsy hampitombo ny olana. Indraindray aza dia tsy maintsy ampiana amin’ny fanafody ara-medikaly ho fanohanana, ireo  izay  manana ratra lalina noho ny hatrotrahana be loatra amin’ny vatany.

Ilaina ny fandroahana devoly satria mety ho toeram-pamaharany ny ratram-po noho ny fangidiana, ny lolom-po, ny avonavona, ny tsy finoana, ny alahelo sns…

Marihina anefa fa tompon’andraikitra hiasa izany fanasitranana izany hianao fa tsy ilay olona no antenainao hanao ny andraikitrao. Mila fotoana izay avy amin’Andriamanitra ny fanasitranana. Aza mitsahatra miankina Aminy.

Toamasina – Solika 1640 litatra saika havoaka antsokosoko
Tafiditry ny mpangalatra solika ny eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Olona 9 lahy no tratra ambodiomby saika hangalatra gazoala 1640 litatra afakomaly alina. teo ampikasana ny hamoaka izany izy ireo no saron’ny mpiambina.

Tsy nisy afa-nihetsika fa voasambotra avokoa ary notanana ao amin’ny borigadin’ny seranan-tsambo ireo jiolahy ireo.  Tsy mahagaga ny tranga toy izao raha ny zava-misy ankehitriny no jerena satria efa tena sahirana amin’ny fiakarana tsy ankijanona eo amin’ny vidin-tsolika ny mpandraharaha malagasy.

Mazava ho azy fa ireo mpitatitra no tena mitady sy sahy mividy gazoala halatra toy izao. Na eto an-drenivohitra aza dia efa tongan’ny mpisoloky mitety tranon’olona sy manantona izay mpamily mihatsona eny an-dalana sao hividy gazoala amin’ny vidiny mora kokoa raha oharina amin’ny eny amin’ny toby fivarotan-dasantsy ara-dalàna. Mila mailo ihany anefa ny rehetra  manoloana ireny solika halatra ireny satria sady tsy ara-dalàna no ihany koa tsy azo antoka fa mety hanimba ny fiara. Tokony hahatonga saina ny tompon’andraiki-panjakana ihany koa ny tranga toy izao satria tena lafo loatra ny vidin-tsolika eto amintsika ka mampanitatra ny sain’ ireo olon-dratsy hitady hirika hividiana mora.

Dom

Mianara hanao ny tsara Isaia 1 :17
Ny fanaovana ny tsara dia maneho ny maha olom-banona, mitory fahendrena, fijoroana amin’ny maha olon’Andriamanitra, iainan’ny olona manan-tsaina, fanehoana ny fahamarinana. Betsaka ny fitarainana etsy sy eroa, manahirana ny trangan-javatra misy isan’andro. Rahoviana isika no hiaina fahatoniana manoloana ny zava-tsarotra  tsy ahitana fanàfany.Toa mifanenjika sy mifanaratsy ary mifamaly faty hatrany no atao .

Mandray anjara amin’ny tantara isika

Ny tsy fanaovan’ny olona ny tsara intsony no fototry ny olana. Nahita an-dRabe nanao ratsy Rakoto dia nisafidy hanova ny tsara fanaony ka naka tahaka ny fanaon-dRabe. Izany hono no tsara izao. Olana ihany koa ny familiana ny atao hoe tsara kanefa vao maika mampitombo  ny fahavoazana izany. Dinihonao kely ange izany e!

Tsy mintsy mandray anjara amin’ny tantaran’ny  fiainam-pirenentsika, isika Malagasy raha mbola velona koa izaho sy hianao ; tompon’andraikitra  amin’izay iafaran’ny fiainantsika ihany koa: na mpitondra firenena hianao, na mpitondra fiangonana,  na mpiasam-panjakana, na mpamily fiarakaretsaka, na tompona orinasa, na mpianatra, na mpivarotra anana, na ankizy na lehibe… Mpandray anjara ho amin’ny tsara  ve isika sa amin’ny fanimbana hatrany?

Sarotra ve ny manao ny tsara?

Na iza na iza hianao te ho olo-marina dia misy tsara  hatrany am-boalohany mampianatra anao ho vanona, misy tsara tokony horaisina manome fahendrena, misy  ny lalana tsara sy fomba tsara atoron’ny Soratra Masina ho an’ny mpivavaka rehetra, ary ny fahamarinana dia ny tsy fisarahana amin’ny tsara. Noho izany, andeha hiverenana amin’izay ny tena atao hoe tsara, marina, izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany no mitondra fiadanana.

Mora ny manao ny tsara noho ny manao ratsy. Samy ilàna fahasahiana ny manao azy nefa ny vokatry ny tsara dia fitahiana sy fiadanana. Ny vokatry ny ratsy kosa dia tahotra sy fahasimbana. Tsarovy fa nantsoina ho amin’ny fiadanana ny olona rehetra. Fomba fisainana mizatra manao ny tsara no ilaina ary fiezahana mianatra miaina izany.

Ny teny aloaky ny vava

Afaka miala amin’ireto fahazarana miteny ratsy sy tsy mendrika ireto isika:

Fifosana olona, mivazavaza lava, tia miady sy mifamaly, kizitina, manompa, manozona, tia manala baraka olona, mitabataba sy vazavaza  raha misy olana, mila ady, mandranitra ady, mitsabaka amin’izay tsy raharahan’ny tena, manambany sy manevateva olona, mipetsapetsana, mahay vava, tsy mahay mangina ..

Raha afaka ireo fahazaran-dratsy ireo dia misy dikany kokoa ny fivoriana isan-karazany ary mahomby kokoa ny fiheveran-draharaha isan-tokony. Misy hajany kokoa ny olona miteny.

Tsara ihany koa ny mahay mihazona tsiambaratelo ary manefa izay zavatra nolazaina. Anisan’ny zavatra mahafinaritra tokony ho hita eo amin’ny fifandraisana ny fahaizana manao teny mankasitraka, misaotra, midera ny tsara hita eo amin’ny olona iray satria tena misy izany  ary tokony hahita izany ny tsirairay na dia mety manana toetra ratsy aza ilay olona.

Ny fifehezana hatezerana

Eo amin’ny fomba fanehoana hatezerana no amantarana ny fahamatorana ananan’ny olona sy ny toe-panahiny. Afaka maneho hatezerana ary tokony hamoaka izany raha misy raha toa ka fomba mahery setra anefa no anaovana azy dia tsy mahomby. Noho izany, azo ianarana ny fomba salama. Tsy tokony hipoaka be na mandratra amin’ny fomba fiteny sy fihetsika na amin’ny alalan’ny fitaovana entina handratrana. Tsy tokony hanimba zavatra na hitroatroatra.

Afaka maneho ny tsy fahafaham-po sy ny alahelo ary maneho ny faniriana fiovana amin’ny fanaovana teny milamina. Ampiana ny olona hiova fa tsy terena. Raha manery ny hafa hiova isika dia izay no mitarika haromotana ho anao sy hasiahana ho an’ny hafa.

Tsy voatery ho tezitra lava isaka ny misy zavatra tsy mahafa-po. Afaka mitaiza tena hanana fomba tony.

Ny fanaovan-tsoa

Aza ny mahasoa anao ihany no atao fa hevero koa izay mahatsara ny hafa. Ialao ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola fa ireo no mibahana tsy ahafahana mihevitra ny manodidina. Fitahiana ho an’ny olona ny fanaovan-tsoa. Hamaly soa anao koa Andriamanitra raha tia manao soa hianao. Tsy mbola nisy olo-marina ka nafoiny. Ilàna fitiavana ny fanaovan-tsoa satria mila fahafoizana kanefa mila fahazarana ihany koa.

Matetika anefa ny fanaovan-tsoa dia atao ho filan-dera ka anindrahindrana ny tena, na koa ho fitadiavana tombotsoa manokana, na isehosehoana eo anatrehan’ny hafa, na anararaotana ny olona mihitsy. Tsy vokatry ny fitiavana ireny fa anehoana hafetsena ka mifono fihatsaram-belatsihy.

Ny fankatoavana ny lalàna

Fanaovan-tsoa ny fankatoavana lalàna. Fehezin’ny lalàna ao anaty fiarahamonina sy ny firenena ny olona rehetra. Ny olo-marina sy ny olona tsara dia finaritra miaina izany, fa ny olona te hanao ratsy sy tsy mora entina dia manohitra mandrakariva ny fifehezana sy ny lamina. Manana olana eo amin’ny fiarahamonina ny olona tsy tan-dalàna. Sarotra ny mitondra raha tsy manana finiavana ho mora alahatra ny olona. Tsy hilamina ihany koa ny fiarahamonina raha samy hanao izay saim-patany ny tsirairay avy.

Misy tsy faly amin’ny fisian’ny Polisy mandamina fifamivoizana.  Ho feno korontana sy ady ary fifanjevoana anefa eny amin’ny arabe raha tsy eo izy ireny. Raha vao manohitra ny fifehezana ataon’ny ray aman-dreny mihitsy koa ny zanaka dia hitondra fahoriana.

Ny fahadiovana

Ny tany andalam-pandrosoana dia hita fa maloto. Tsy lahatra anefa izany fa toe-tsaina fotsiny ihany. Mety tsy hisy vola nefa mety ho mahihitra tsy hividy savony sy hividy rano ihany koa. Tena misy koa anefa ny hakamoana tsy te hanao madio, azo lazaina fa tsy fitiavana madio mihitsy aza. Satria tsy ilaina izany madio izany ho an’ny mahantra hoy ny sasany. Haloto ihany io hoy ny sasany koa maninona no diovina?

Madio sy masina Andriamanitra ka tokony ho tia madio ny olona mpivavaka. Raha izany no tanteraka dia ho firenena madio i Madagasikara, manomboka eto Antananarivo. Tsy izany anefa no misy fa feno loto eny rehetra eny : ny zavatra amidy, ny toerana ivarotana, ny olona mivarotra, ny tontolo manodidina. Tsy misaraka amin’ny fahadiovana ny filaminana. Tsy hanana ny madio sy milamina isika raha tsy misafidy ny ho tia izany ary manao ezaka hanana izany.

Ny fahamarinana

Ny toetra marina no resahana eto. Tsy maka ny an’olona fa mionona amin’izay an’ny tena. Tsy mialona ny hafa fa mankasitraka izay eo am-pelatanana. Tsy mialona ka te hanana foana ary manao izay hanangonana ny zavatry ny olona rehetra ho azy. Mahay resy fa tsy voatery handresy foana. Mety mba ho farany fa tsy voalohany foana. Raha tsy manaiky izany hianao eo amin’ny fiainana dia hitroatra lava ary tsy hitsahatra ho mpanakorontana.

Ny hafetsena, ny fisolokiana, ny halatra, ny kolikoly amin’ny fanambakana na ny fanararaotana fahefana dia zava-dratsy manimba ny fiarahamonina. Izay manao izany dia toa mahazo tombony raha jerena ety ivelany kanefa kikisan’ny ratsy ataony andro aman’alina ny ao anatiny ao. Na dia mamono eritreritra fatratra aza izy dia tsy maintsy hijinja izay nafafiny. Aleo mifehy tena manao ny marina.

Mila miova hianao

Ry olon’ny fiangonana ô! isika olom-pirenena rehetra, na ny kely na ny lehibe, manaiky hofehezin’Andriamanitra ve hianao, misy fitiavana ny mpiara-belona aminao ve hianao? Ndeha hianatra hanao ny tsara. Avelao ny fanenjehana ny sy fanaratsiana ny hafa. Miantsoa an’i Jesoa hamonjy anao.

“…na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te-ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany… ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” Filipiana 4:8,9

Andapa – Une mineure handicapée se fait violer
Une mineure a été violée dans la ville d’Andapa par un inconnu. Cette petite, qui n’a que 8 ans, a eu le malheur de se trouver sur la même route qu’un homme, dépourvu de conscience, de 36 ans. En plus d’être orpheline de père, celle-ci souffre également d’un léger retard mental depuis sa naissance. Le handicap mental, ou retard mental dans la langue courante, rend les personnes totalement vulnérables, et le cas est pire lorsqu’il s’agit d’un enfant. En effet, les personnes en situation de handicap  vont devoir faire toutes les choses au quotidien que les autres font normalement avec un peu de retard : comme ramper, marcher, parler et même prendre soin de leur personne. Dans le cas de cette petite d’Andapa,  elle était en classe de 12ème à l’âge de 8 ans.  Ce qui signifie que le fait d’abuser d’une enfant dans cette situation équivaut à faire du mal à un bébé qui vient de naître. Le violeur a été arrêté un peu plus tard et sera certainement sanctionné d’une peine sévère, en plus d’une obligation de paiement de dommage intérêt.

Athanase M.

ABIGAILA
Vehivavy Mpampihavana

Ny tantaran’i Abigaila vadin’i Nabala, ilay lehilahy mpanan-karena voalaza ao amin’ny Baiboly (1 Samoela 25) dia fianarana ho an’ny vehivavy rehetra mandala ny fihavanana sy maniry ho vehivavy mpampihavana eto amin’ny firenena.

Vehivavy Hendry

Ny vehivavy hendry dia mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Manoloana ny zavatra hita sy re ary iainana isan’andro dia mahafantatra ny olona feno fahendrena hoe ratsy izany zavatra izany na tsara.

Anisan’ny tena mampisongadina ny fahendrena tao anatin’i Abigaila vadin’i Nabala ny tsy fahazakany ny fisian’ny ady sy ny rà mandriaka teo amin’ny taniny ary izay mety ho fanamelohana ataon’Andriamanitra ny amin’izany fandatsahan-drà izany. Fantany fa zava-dratsy izany. Fantany tsara anefa ny tsy fahamarinana nisy tamin’izay fiarahamonina izay ka nanainga azy hiady amin’izany tsy fahamarinana izany.

Ny vehivavy hendry dia feno fanetren-tena amin’ny asa atao sy ny teny aloaka ny vava.  Nanolotra izay ananany tamin’ny hitsim-pony i Abigaila mba hiadiana amin’izany tsy fahamarinana izany sy hanonerana fihavanana. Ny dikan’io dia fanarenana ny zavatra tsy nety ary famaliana ny hetaheta mba hampisy fahatoniana. Lavitra azy ny firaisana tsikombakomba amin’izay manao ratsy. Naneho fanetren-tena izy tamin’ny fanolorana izay nananany sy tamin’ny teny naloaky ny vavany, izay tsy nitsahatra niaiky ny fahadisoany. Nahatsara ny fihavanana izany ary niteraka fifampitokisana indray. Feno fahendrena tokoa izany fomba izany. Ny vehivavy menetra ny tenany irery ihany no afaka mampihavana.

Tsy miharo fitiavan-tena, na lolom-po, na fanararaotana, na fireharehana, na izay mety ho asa maloto hafa…ny ady atao amin’ ny tsy fahamarinana eo fiarahamonina sy ny firenena fa avy amin’ny fitiavana te hampanjaka ny tsara sy ny mendrika.

Tsy herisetra na fanjakazakana na faneriterena sy fandrahonana na resa-be fotsiny no hitondrana fampihavanana. Fifantohana amin’ny fahavoazan’ny hafa mba hanova ny zava-misy no maika fa tsy ny fanenjehana olona. Misy fahafoizana ilaina ho vidin’ny fihavanana. Anjaran’ny lalàna kosa ny manenjika ny olon-dratsy. Miaro ny fo mba hadio mandrakariva ny olon-kendry. Tsy misy fampihavanana mahomby ivelan’ny fananana fo madio.

Vehivavy feno fahasahiana

Rehefa nahita ny toe-java-misy i Abigaila (hatezerana sy haromotana vokatry ny haratsiam-panahy sy ny tsy fahamarinana), dia tsy nitazana fotsiny fa nanana fahasahiana handray andraikitra hanao izay azony hatao amin’ny toerana misy azy. Tsaroana koa ny tantaran’i Estera vadin’ny mpanjaka (ao amin’ny Baiboly), izay sahy niady ho an’ny ain’ny jiosy mpiray firenena aminy raha nandre fa kasaina haringana avokoa izy ireo (Estera 4…).

Mila fahasahiana ny fiadiana ho an’ny marina, sy ny fampihavanana. Kanefa ny tena olo-marina ihany koa no afaka manana izany fahasahiana izany. Voaforona hiankohoka amin’ny fahamarinana isika olombelona. Samy manana ny talenta sy ny toerana nametrahan’Andriamanitra azy avy ny tsirairay : ao ny afaka manolo-tena hanao asa tsara, manolotra fananana, manana feo afaka manambara, mivavaka, manana fahefana…, amin’izany dia afaka hiaina sy haneho ny marina ary hampanjaka ny fihavanana hatrany.

Manosika ny tena hanana fahasahiana hanisy soa azy, ny fitiavana ny mpiara-belona.

Tena ratsy ny ady satria miteraka korontana, fahapotehana, fandatsahan-dra, horohoro sy fahantrana. Sambatra ny mpampihavana hoy ny Tenin’Andriamanitra. Manao izay fomba mendrika rehetra hisorohana ny ady sy izay aterak’izany ny mpampihavana. Manolotra mandrakariva ny azony atao izy hanonerana fihavanana.

Fandraisana andraikitra avy hatrany

Mahita ny fihavanana ho laharam-pahamehana ny olona manana fitiavana te hampihavana. Satria fahapotehana no mandindona ny fiarahamonina ka miezaka mampandefitra ny fainany sy ny tombotsoany manokana na koa ny hambom-pony aloha izy ary mifantoka amin’izay hisian’ny fihavanana. Izay no mahatonga ny olona mahafoy sy manolotra.Tsy mangatak’andro lava ihany koa ka miandry ny ranom-bary ho halohalika fa tanterahina haingana izay tokony hatao amin’ny fotoanany. Toe-tsain’ny olona mpandray andraikitra izany ary ilaina amin’ny fampandrosoana. Antoky ny fampihavanana ny toetra marina sy mahitsy.

Ny fandraisana andraikitra ho an’ny olona manam-pitiavana sy tsara sitra-po dia tsy arahana fitarainana sy anaovana fanararaotana satria fanolorana ny avy amin’ny tena aza no tena mampanan-danja azy. Betsaka tokoa ny olona milaza ho manao soa sy mandray andraikitra kanefa miady varotra sy miaro hatrany izay ho tombontsoa manokana ao ambadik’izany.

Misy koa ny sasany izay tsy maintsy manindrahindra mandrakariva ny soa ataony ary mirehareha ny amin’izay vitany. Raha toa ka tsy mba deraina izy amin’izany dia mihena ny fahavitrihany hanao soa. Ny fanaovan-tsoa dia toe-po marina miainga ao anaty tsy voatohintohin’ny ety ivelany.

Ny olona be resaka dia tsy mahavita na inona na inona fa lany andro amin’ny fandaharan-teny sy ny fahaizana maneho hevitra fotsiny. Tsy mahasoa ny resa-be fa ny asa tsara tanterahina na dia manomboka amin’ny zavatra kely aza no tena ilaina. Raha tiana hisy ny fampandrosoana haingana dia atao fohy ny resaka (fitsikerana, fanenjehana, fanaratsiana, fampanantenana, fanandratan-tena, fitseran-tena sns…) fa atao betsaka ny asa tsara. Ny olona manana fitiavana marina dia hita taratra amin’ny finiavany manao asa tsara hampandroso nefa tsy misy kajikajy tombontsoa manokana. Tsara avahana tanteraka ny fanaovan-tsoa sy ny fitadiavana tombontsoa. Toerana roa samy hafa ny fanaovana izany.

Toetra ratsy mila ovaina

Na dia tsara tarehy sy tsara bika aza ny vehivavy, rehefa ratsy toetra izy dia ratsy ihany. Ireto misy toetra maharatsy ny vehivavy:

Mahay vava – Ny vehivavy mahay vava dia ireo izay tsy mitsitsy teny havoaka, mpanambany olona sy mpanevateva olona raha vao misy zavatra mitranga, tsy manana fahaiza-miaina loatra, mety hivoaka hatramin’ny teny maloto, manana lantom-peo tena avo sy miavona ary tena mahay mampietry olona amin’ny teny aloaky ny vavany. Raha te hiady dia izy no atao lohalaharana hamono lolo. Rehefa miteny izy dia mitampim-bava ny olona kanefa ataon’ny olona fihomehezana any ambadika izy. Azy irery ny fitenenana fa tsy misy mahaleo azy, ary tsy azo ampanginina. Lazain’ny olona hoe akoho vavy maneno izy.

Tia ady – Mihevi-tena ho manana ny marina tanteraka ka tsy afaka ny hilefitra fa manandra-tena ary manao tsinontsinona ny manodidina azy amin’ny teny aloaky ny vavany. Tsy ahoany loatra ny fihavanana fa tia miady aman’olona mandrakariva. Raha vao misy zavatra tsy araka ny sitra-pony dia manangana ady ary tia mifamaly. Mahafinaritra azy ny mamaly ratsy olona, ary izany no fandreseny ka ireharehany. Lavitra azy ny fandeferana sy ny fanginana fa tsy maintsy mitabataba foana izy. Na dia zavatra kely aza no hitany dia hitariny sy ilany vanina mandrakariva. Tsy manaiky izy raha tsy misongadina amin’ny tiany hatao.

Mpandranitra ady- Ny vehivavy mpandranitra ady dia tia miresaka olona sy mampitampita resaka. Tia manatsikafona sy miampanga olona amin’ny zavatra tsy fantany akory. Tia manonontonona anaran’olona hanalana baraka olona. Mora ampirisihina hanetsika ady. Izy tsy miditra an-tsehatra mivantana hiady fa matahotra ihany kanefa tena mahay miteny  handranitany ny olona hamely olona. Sady fetsy no mpanararaotra ny olona mpandranitra ady kanefa kanosa ihany koa. Tiany ny miaraka amin’ny olona mahay vava sy tia ady mba ahatongavany amin’ny tanjona kendreny dia ny fanimbana sy famotehana ny hafa.

Afaka ny hiala amin’ireo toetra ratsy ireo hianao vehivavy raha misafidy hanao ny tsara satria nohariana ho tsara hianao hatrany am-boalohany. Tsy mahay manova ny tenanao anefa hianao fa mila ny herin’Andriamanitra hanavao anao. Atolory an’i Jesoa ny fonao ratsy mba hanjakany ka havaoziny ho fo vaovao mahay manao ny tsara dia ho sambatra hianao.

Ry vehivavy Malagasy, vehivavy Mpitarika, vehivavy Kristianina, ary ny Renim-pianakaviana rehetra, afaka ho tonga vehivavy mpampihavana tahaka an’i Abigaila hianao ho fampandrosoana ny firenena, ny fiarahamonina, ny fiangonana, ny ankohonana. Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa mandalo izao fiainana izao. Aoka tsy ho variana ihany hiady ny tombontsoanao manokana na hifaly amin’ny toerana misy anao na  hanao izay hahatsaratsara ny ivelany, fa aoka handeha amin’ny tahotra marina an’Andriamanitra amin’ny ataonao rehetra. Ny teny aloaky ny vava sy ny fihetsiky ny vehivavy tsy ampy fahendrena dia manala voninahitra azy. Izany fahamarinana izany no entina irariana soa ho an’ny vehivavy rehetra amin’izao ankatoky ny Fetin’ny Reny izao.

Mirary Fety Sambatra ho an’ny Reny rehetra!!!

Potehina ny vahoaka madinika
Nitovy hevitra ary samy nilaza na ny praiminisitra Solonandrasana Olivier na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa fanahy iniana ny nandorana ny tsenan’Isotry farany teo.Rehefa tena zohina izany dia misy mahazo tombontsoa manokana amin’ny fahorian’ny vahoaka madinika. Olon-tsotra sy mpiavo-tena avokoa mantsy ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Isotry. Tsy manana fivelomana hafa ankoatra ny tao izy ireo nefa dia izao nisy nisompatra izao. Tsy voalohany fa efa mahazatra ny fahamaizana mitranga eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra. Tsy vitan’ny trano iray na roa no mirehitra fa tena vakim-paritra iray manontolo mihitsy. Fanahy iniana no mahatonga izany hoy ireo mpanao politika sy ny vahoaka tsotra. Dorana ny fonenan’ny madinika satria ilain’ny mpanambola ny toerana. Ireo vahiny mpandraharaha rahateo dia mankamamy ny faritra iva ary mahavita mamadika azy ireny ho tanànan’ny tranobe izay amidy sy ampanofaina lafo be hahazoana tombotsoa be. Toy ny mahazatra ary efa fomba fanao eto Madagasikara dia tsy mba misy atidoha mpandoro trano izany mba voasambotra sy voakitikitika fa miala maina hatrany ireo vahoaka madinika rava fananana. Mody tonga mizara fanampiana kely tsy mahavita taona ny tompon’andraiki-panjakana sy ireo misora-tena ho malala-tanana dia izay. Adino tanteraka ireo niharam-boina afaka herinandro vitsivitsy.Tsy io resaka fandorana trano io ihany no hanafaizana ny vahoaka madinika fa saika amin’ny lafim-piainana andavanandro mihitsy. Henjehina ny mpivarotra amoron-dalana tsy avela hanao ny asany noho ny fanadiovana ny tanàna sy fametrahana ny fanajàna ny lalàna nefa ireo mpandraharaha amin’ny sehatra ny fifandraisan-davitra tsy mitsahatra manangana trano kely eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Nilaza ihany koa ny kaominina fa hiditra amin’ny fanesorana ireo fiara mpivarotra sakafo ao afovoan-tanàna nefa ny vahiny mpanam-bola migalabona manangana trano fisakafoanana sy trano filokana etsy sy eroa. Tena manelingelina ny fiarahamonina ireny trano fisakafoanana ireny satria misokatra alina be, no sady mibahan-dalana ny fiarakodian’ireo mpanjifa, no be tabataba ihany koa rehefa mamo mivoaka ao nefa tsy ahitan-teny ny tompon’andraiki-panjakana sy ny eny anivon’ny kaominina.  Terena handoa hetra sy haban-tsena ny mpivarotra madinika nefa ireo orinasa goavana sy mpandraharaha tsy manao izany. Mbola hanaovana ramatahora ihany koa ny vahoaka madinika amin’ny resaka hetran-trano nefa ireo mpampiasa vola amin’ny fampanofana tranobe manerana ny tanàna voalaza fa tsy mandoa ny hetra araka ny tokony ho izy ary tsy sahin’ny kaominina tenenina.

Rehefa tena dinihina dia toa faly hampiseho hery amin’ny malagasy tsy manan-tsiny avokoa ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ity firenena ity. Tamin’ny zoma 13 may lasa teo izao dia feno miaramila sy polisy ary zandary mirongo fiadiana teny Analakely sy ny manodidina. Rehefa nanontaniana ny anton’izany ny mpitarika ireto miaramila marobe ireto dia nanambara mazava fa misy andian’olona mikasa hamaky ireo magazay lehibe eny Analakely sy ny manodidina ka ny hanakana izany no mahatonga azy ireo eny.

Ny vahoaka madinika anefa saika isan’ora no mitaraina fa misy mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny Analakely saingy tsy misy mihitsy ny hetsika manokana ataon’ny fivondronamben’ny mpitandro filaminana hamongorana ireny mpanao asa ratsy ireny. Na efa noezahina tsy noresahina aza dia lasa afangaron’ny tompon’andraikim-panjakana ny resaka politika sy ny fiarovana ny vahoaka. Rehefa ny mpanam-bola no voatohintohina dia lazaina fa hetsika politika sy fanakorontanana no mitranga. Rehefa ny vahoaka madinika kosa no voaendaka sy iharan’ny herisetran’ny olon-dratsy dia lazaina fa asan-jiolahy tsotra no nisy.

An-kavitsiana izany hoe nisy nanendaka ka nametraka fitoriana tany amin’ny polisy izany fa tonga ireto farany nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana hitadiavana ireo mpanendaka. Rehefa toeram-pivarotana goavam-be anefa no voatafika dia tonga marobe amin’ny basy sy fiara ny mpitandro filaminana. Misy ihany ny mizana tsindrian’ila!

Ravalo tsy manana

Vahoaka voatampim-bava
Tsy misy na iza na iza mahazo manao hetsika eo amin’ny zaridainan’Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mai androany hoy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo renivohitra. Midika avy hatrany izany fa voarara ny fankalazana ny fahatsiarovana ny tolom-bahoaka nampirodana ny fitondran’i Filoha Tsiranana tamin’ny 13 may 1972 . Tena atahoran’ny mpitondra Fanjakana malagasy ity datin’ny 13 may ity ary indrindra indrindra ny kianjan’ny 13 may izay tena manana ny hasiny satria ireo filoha voavidim-bahoaka rehetra dia saika nahita faisana teo avokoa.  Teo amin’ny kianjan’ny 13 may no nandrodanana ny Fanjakan’i Tsiranana, Ravalomanana, ary Ratsiraka. Ny Filoha Zafy Albert kosa tamin’ny taona 2005 dia efa saika matin’ny fitsaram-bahoaka teo amin’io toerana io raha nikasa hitarika korontana handrodanana ny Filoha Ravalomanana.

Teo ihany koa no nandrodanan’i Andry Rajoelina ny fitondrana Ravalomanana ka tsy namelany ny olona hanao hetsika intsony tamin’ny andron’ny tetezamita satria natahorany mafy sao handrodana ny fitondrany. Ankehitriny dia mbola matahotra mafy ny hasina sy ny herin’ny kianjan’ny 13 may ny fitondrana Rajaonarimampianina ary anaovany ny fomba rehetra hanakanana ny vahoaka malagasy tsy hanao hetsika eo amin’io kianja io. Ampiasaina amin’izany ny minisiteran’ny Atitany sy ny prefektioran’ny polisy, izay mamoaka fandraràna sy tsy manaiky ny hanome fahazoan-dalana izay rehetra te haneho hevitra eo amin’ny kianjan’ny demokrasia sy ny kianjan’ny 13 may. Atao fitaovana ihany koa ny mpitandro filaminana hanao ramatahora ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitandremana fa handray fepetra henjana raha misy olona sahy miana-kendry midina eo amin’ny kianjan’ny 13 may na dia hametraka fehezam-boninkazo fotsiny aza.

Ny tena olana dia manitsakitsaka tanteraka ny fiandrianan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fitondram-panjakana satria io kianja io, izay mifefy dia tafiditra ao anaty tokontanin’ny kaominina. Izany hoe manan-jo hanome alalana izay te hanao hetsika eo an-tokontaniny ny kaominina. Mahagaga anefa fa voarara izany na dia  hetsika kasain’ny vahoaka hatao am-pilaminana aza.

Kanosa loatra ity fitondram-panjakana ity ka na ankizy milalao aza dia efa mampivarahontsana azy, heveriny ho mpikarama an’ady mikasa hanongam-panjakana. Mahafantatra ny zava-misy marina ny mpitondra matoa manakana ny vahoaka tsy haneho hevitra. Fantatry ny mpitondra fa tofoka tanteraka ny vahoaka manontolo ka minia manampin-tsofina mba tsy handre ary minina mikipy mba tsy hahita izy ireo. Iaraha-mahalala mantsy fa hiparitaka manerana an’i Madagasikara ny sary sy feo maneho fa amin’ny hetsiny maro ny olona ho tonga eo amin’ny kianjan’ny 13 may izay hamotsipotsitra ny tsy mety ataon’ny mpitondra Fanjakana raha avela hisokatra hoa n’ny fanehoan-kevitra io toerana manan-tantara io.

Tsy handaitra intsony avy eo ny fampanantenana poakaty sy ny lainga afafy amin’ny haino aman-jerim-panjakana izay milaza fa tena mahavita zavatra sy ankamamian’ny vahoaka ny mpitondra. Fitaka sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny fanakaramana teknisianina hiteny etsy sy eroa fa hitondra fampandrosoana goavana sy tombontsoa tsy hita pesipesenina ho an’i Madagasikara ny fandalovan’i ban Ki-Moon sekretera jeneralin’ny firenena mikambana teto sy ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia amin’ny volana novambra. Tsy mino izany ny vahoaka ary tsy azo rebirebena ka te hiteny ny ao an-tsainy sy hilaza ny heviny mikasika ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Tsy sahy mihaino izany hevi-bahoaka izany ny mpitondra ka manao ny fandrarana rehetra tsy hahafahan’ny malagasy hiteny an-kalalahana imasom-bahoaka. Izany no antony tsy hanomezana alalana ny vahoaka hidina eo amin’ny kianjan’ny 13 may. Tsy fantatry ny mpitondra nefa fa ny vahoaka toy ny rano ka raha poretina loatra dia vao mainka mitady lalana hanehoana ny heriny.

Ravalo tsy Manana